16 desambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27

Samy manana ny antony anatonana an’i Jesoa ny olona. Eto izao ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona manatona an’i Jesoa hanontany azy ny fahefana anaovany ny asany ka miady varotra sy sarotiny amin’ny fahefana izy ireo amin’izany. Fa misy koa amintsika mararim-pahefana ka raha vao kitikitihana io dia manangam-bovona ery! Koa tandremo sao mitovy amin’ireto lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ireto isika manatona an’i Jesoa ka ho voa mafy satria tsy amim-pahatsorana no anaovana izany fa misafelipelika. Mitady hamandripandrika ry zareo! Sendra ny mahay azy anefa ry zareo ka kofona, mpijoko voajoko ihany ka nahazo valin-kafatra tsara: fanontaniana eto nivaly fanontaniana, hany ka tsy nanan-kavaly ry zareo.

Niainga tamin’ny batemin’i Joany nianteheran’ny olona i Jesoa fa tsy nanano sarotra. Hoy Izy: “Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin’ny olona?” Sadaikatra ry zareo namaly ka mody nilaza hoe: “tsy fantatray”, satria natahotra ry zareo. Jereo fa miitatra ny zavatra ka tonga hatramin’ny lainga eo amin’i Jesoa. Mety mahazo antsika ihany koa izany raha tsy mitandrina isika, dia ny milaza izao atsanga tsy aman’orana izao ialana tsiny tsy hanatonana azy Tompo: foronina daholo izao zavatra rehetra izao hampanalavitra aminy. Tsarovy anefa fa mibaribary sy miharihary aminy avokoa ny momba antsika rehetra, tsy misy miafina aminy izany fa miadaladala isika matetika.

Amin’izao fotoanan’ny fiavin’ny Tompo izao isika mianakavy miezaka hanatona Azy Tompo, miandry Azy. Marina izany fa tsarovy koa fa Izy koa anie ka mitsena antsika e! Ka ny fihaonan’ny tia sy ny manina no tena zava-dehibe. Fadio araka izay azo atao ny misara-maina toa an’ireto lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona andaniny ary i Jesoa ankilany, ka tena ho voa mafy. Tsy hoe mifampiandry isika raha miandry ny hahatongavany ary Izy miandry antsika manatona azy, fa samy mifanatona ny roa tonta ka ho fihaonam-pahasambarana no hiseho raha izany. Amin’izay hitera-bokatsoa izany fihaonana izany, tsy hanao toy ny molotra ka rehefa tezitra indray vao mifanatona fa rehefa faly mifanalavitra, fa ho toy ny savoka sy ny solitany tsy hay intsony ny manavaka azy rehefa empoina. Mazava fa avy amin’ny Rainy naniraka azy ny fahefana anaovan’i Jesoa izany fa ry zareo no tsy te hahalala.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...