♦ Andro fahatelo amin'ny fihaonan'ny lehiben'ny fikambanana salezian'i Don Bosco sy ny solontena isaky ny province avy amin'ny faritra Afrika sy Madagasikara ny anio sabotsy... ♦ Nivoaka tao anatin'ny fahanginany tamin'ny alalan'ny praiministra Ntsay Christian ny fitondram-panjakàna ka naneho hevitra momba ny orinasa Base Toliara... ♦ Manao antso avo sy mitaky ny famoahana ireo olona nosamborina noho ny fitakiana nataony manoloana ny delestazy sy ny tsy fisian-drano ny solombavambahoaka TIM Rina Andriamasinoro... ♦ Manameloka an'i Israely manoloana ny fandavany amin'ny fampitsaharana ny ady ny praiministra Libanais Najib Mikati...

Ny toe-po sy toe-panahy entina miatrika ny litorjia dia ny fananana finoana, fanekena ny Eglizy, fiombonana amin'ny Eglizy eran-tany ; fivelarana amin'izao tontolo izao. Mety misy ny "RITES" na hoe fombam-pivavahana manokana, mety miova kely ny filahan'ny zavatra atao, fa efa ankatoavin'ny Eglizy ireny dia azo andraisana anjara any amin'ny firenena samihafa any ; ny "rite latin" no ampiasaina eto amintsika.  Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

2 nôvambra 2024 — Fahatsiroavana ny mpino nody mandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin'ny Faritr'i DIANA. Manana tetik'asa iarahana amin'ny Réseau SOA tohanan'ny F.F.F-F.A.O izy ireo. Tetik'asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...