9 febroary 2025 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

08 febroary — I Jérôme Emilien dia teraka tao Vénétie ny taona 1481 ary nodimandry ny 08 febroary 1537 tao Somasque Lombardie. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana avo razana sy nanan-karena i Jérôme Emilien. Tovolahy lian'ady sy ratsy fitondran-tena tokoa teo aloha, miaramila tao amin'ny tafik'i Vénétie mantsy izy tamin'izany.

Ny asan'i Jesoa teto an-tany no maneho miharihary fa raha mino sy manaiky an'Andriamanitra sy ny heriny isika dia ho azontsika izay angatahantsika. "Satria ny finoanao no nahavonjy anao" hoy ny Tompo tamin'ireo olona nositraniny. koa mila manamafy finoana isan'andro isika mba ho azo antoka ny vavaka ataontsika ary mba ho tena vavaka araka izay vokatry ny fo sy an-kalalahana... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

8 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona— Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...