9 febroary 2025 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Tsotra ny zava-niseho, nanomboka nampianatra teny amoron-dranomasina i Jesoa, ary nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino Azy. Ka dia niakatra tao an-tsambokely izay nijanona teo amoron-drano mihitsy izy mba ahafahany mampianatra ny vahoaka. Ary niangavy an-dry Simona, izay tompon’ny sambokely, hihataka amin’ny tany mba hihaino koa ny fampianarany miaraka vahoaka. Vita izany fampianarana izany vao nangataka tamin’izy ireo mba hiroso lalindalina kokoa ary hadatsaka ny harato mba hahazoana ny hazandrano misimisy kokoa. Na dia saika handa aza, dia nanaiky ihany ka nahazo maro loatra aza. Nofenoiny hazandrano ny sambo roa, ary nampiova ny fon’ireto mpianatra izany. Ka nandao ny zavatra rehetra ireo ary nanaraka Azy, ary ataoko mpanarato olona ianareo, hoy i Jesoa.
Inona amin’io fisehoan-javatra nihaonan’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ireto koa no manampy antsika? Voalohany indrindra, raha te hihaona amin’i Jesoa isika, dia tsy maintsy mihaino ny teniny sy mihaino azy amin’ny fo misokatra. Fo misokatra izay mamela toerana ho an’ny fiovana mety hitranga eo amin’ny fiainana, indrindra ny fitondran-tena. Fa zava-dehibe ny fihainoana satria manampy antsika hamantatra ireo famantarana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika izay mitondrana fiovana. Satria tsy misy olona masina ka afaka mahazo ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy misy olona masina loatra ka ara-dalana ny niantsoan’ny Tompo azy ho amin’ny iraka. Mpanota ny olona tsirairay ary tsy misy mendrika ny ho voantso ho amin’ny iraka. Tonga ny Tompo hitady ny mahantra, ny mpanota, miaraka amin’izy ireo no tiany hanohina ny fo rehetra…
Ao amintsika mino ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy manam-petra no tiany hanohina ny fon’ny rehetra... kanefa moa ve isika vonona ny hihaino azy? Vonona ve isika hanaiky ny antso apetrany ao am-pontsika lalina, eo amin’ny fiainana izay antsika? Ary ho an’ny sasany, moa ve isika vonona ny hanaraka Azy amin’ny fanolorana tanteraka ny fiainantsika ho an’ny fitiavana Azy sy ny famonjena ny fanahy? Aoka hazava fa ny fiantsoan'i Jesoa dia tsy voatery hoe mompera na masera! Famaliana ny antsony eo amin’ny fiainantsika izany.