Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 6, 1-2a. 3-8)

Inty aho, iraho aho.

Tamin’ny taona nahafatesan’i Osiasa Mpanjaka, no nahitako ny Tompo,
nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina,
ary nahafeno ny Tempoly ny rebareban’akanjony.
Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany,
niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe:

“Masina, masina, masina ny Tompon’ny tafika!
feno ny voninahiny ny tany rehetra”.

Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy,
ary tonga feno setroka ny trano.
Ka hoy aho tamin’izay:

“Idiran-doza aho! maty aho! fa izaho olona maloto molotra;
ary ny firenena itoerako maloto molotra,
nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Tompon’ny tafika!

Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin’ireo Serafima,
nitondra vain’afo teny an-tanany,
nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.
Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy:

“Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao;
ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao”.

Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe:

“Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?”

Ka hoy aho:

“Inty aho, iraho aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 4-5. 7d-8

Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho, ry Tompo.

Midera Anao amin’ny foko tontolo aho,
satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako;
miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao.

Midera ny Anaranao masina, ry Tompo,
noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao:
nasehonao ho lehibe ny Anaranao,
sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao.
Rehefa miantso aho, Ianao mamaly
sy mampitombo ny hery ato amiko.

Misaotra Anao ny mpanjakan’ny tany
raha mandre ny tenin’ny vavanao,
midera ny lalan’ny Tompo izy ireo,
fa lehibe ny voninahitry ny Tompo.

Ny tananao mitsotra mamonjy ahy.
Ny Tompo no mpamaly izay ratsy atao ahy.
Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo:
aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 1-11)

Izany àry no torìnay ary izany koa no ninoanareo.

Ry kristianina havana,
ampahatsiaroviko anareo ny Evanjely notorìko taminareo,
izay noraisinareo, sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena,
raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo;
afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo.

Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra,
araka ny nandraisako azy:
maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;
dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo,
araka ny Soratra Masina;
ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo.
Manaraka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy,
ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny,
fa ny sasany ihany no efa nody mandry.
Raha efa izany, dia niseho tamin’i Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstôly rehetra.
Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho,
dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

Fa ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho,
ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza,
satria nanenjika ny Eglizin’Andriamanitra aho;
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy.
Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana,
fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho;
na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.

Koa izany àry no torìnay, na izaho na izy ireo;
ary izany koa no ninoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy; hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

Namoy ny zavatra rehetra izy ireo, ary nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nijoro teo amoron’ny farihin’i Genezareta,
ary nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy
(fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato),
dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna,
ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany,
vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe:

“Mandrosoa eny amin’ny lalina,
dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano”;

fa hoy ny navalin’i Simôna Azy:

“Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay,
fa tsy nahazo na inona na inona;
nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato”.

Nony nanao izany izy,
dia nahazo hazandrano be dia be ka rovitra ny haratony.
Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo
mba ho avy hanampy azy; dia tonga ireo,
nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo.
Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho”,

fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy,
noho ny habetsahan’ny hazandrano azony;
ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede
izay iray raharaha tamin’i Simôna.
Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna:

“Aza matahotra fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao”.

Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo,
ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...