Ny 1 desambra dia andro maneran-tany hiadiana amin'ny VIH-SIDA, ka ny loha-hevitra entina hanamarihana izany eto Madagasikara dia : "Ndao homena lanja ny zon'olombelona". Manomboka ny 30 novambra ary mifarana ny 1 desambra ny fanamarihana izay hatao any Antsiranana. Na mitondra ny tsimok'aretina VIH-SIDA aza ny olona iray dia manana ny zony. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

  • Hiodina aorian'ny 14 volana ny orinasa Base Toliara, hoy ny Minisitry ny Harena an-kibon'ny tany. Mbola misy kosa ireo manohitra ny fisokafany...
  • Hampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy amin'ny fiandohan'ny taona 2025 ny paikadim-pirenena vaovao, iadiana amin'ny kolikoly...
  • Nampiaka-peo amin'ny tsy fisian'ny fiaraha-miasa amin'ny Minisitera mpiahy, ny Kômity Olaimpika Malagasy...

Ny fampianaran'ny apôstôly: mampatsiahy ny ezaka hihaino sy fampitana ny tenin'Andriamanitra izany, indrindra ny fampianaran'ny Apôstôly niainga tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ; fototra iray maneho fa i Kristy no ifotorana satria Izy no fahamarinan'Andriamanitra.  Ny fizarana ny mofo no Eokaristia, ilay ahatsiarovana ny nahafatesan'i Kristy sy nitsanganany... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

29 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...