Zoma 29 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.
♦ Olona 44 indray no voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Efa milamina ny ao amin'ny Oniversite'ni Barikadimy any Toamasina. Namaha ny olan'ny mpianatra avy hatrany ny Governoran'ny faritra Atsinanana sy ny Ben'ny tananan'i Toamasina... ♦ Mirongatra ny tsy fandiampahalemana any amin'ny distrikan'i Miarinarivo...
♦ Gaboraraka ny fitrandahana volamena sy vatosoa ankehitriny ka tokony sokafan'ny fanjakana ny fanomezana fahazoan-dalana amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Mananjary, Randrianandrasana Norbert... ♦ Notohanana sakafo misy otrik'aina samihafa ny olona marefo ao amin'ny faritra Alaotra Mangoro...
(27-05-2020) Ny safidy sy ny talenta nomen' Andriamanitra no maha tafita eo amin'ny fiainana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco