Nanolotra fiara mpitondra marary na "ambulance" iray ho an'ny Aumônerie Apostolique misahana ny olona sahirana ny Papa François, ny marainan'ny alahadin'ny pantekôty teo.
Talata 02 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17 — Izaho no lala sy fahamarinana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
Ny fitsaharan'ny fadim-bolana dia tahaka ny dingam-piainana rehetra : tsy maintsy atrehana. Ny sakafo ara-pahasalamana dia tsy misy dinganina, indrindra indrindra ho an'ny vehivavy. Ny tenantsika aloha no voalohany indrindra hanaja ny tontolo iainana. Miaro tena amin'ny aretin-mandringana, ary miaro ny hafa ihany koa.
Alatsinainy 01 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 1-12 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco