♦ Feno 100 taona ny seminera zandriny eny Ambohipo. Sorona Masina no nanombohana ny fankalazàna omaly... ♦ Niampy 05 indray ireo olona namoy ny ainy vokatry ny valan'aretina avy amin'ny Covid-19 teto Madagasikara, raha ny isa azo teo anelanalan'ny 02 janoary hatramin'ny 08 janoary lasa teo. 96,92% no taham-pahasitranana...
Alatsinainy 11 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20
Alahady 10 janoary 2021 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11
♦ Niaiky ny ministry ny fanabeazam-pirenena fa mbola misy ny olana amin'ny fanabeazana eto amintsika ary tsy lavorary ny paik'ady nampiharina amin'ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna... ♦ Nanatitra fitarainana teny amin'ny Bianco sy ny Pac mahakasika ilay raharaha volamlena 73,5kg androany ny antoko politika Madio...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco