Mihamahazo laka amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny famokarana biolojika. Maro ny tantsha efa misehatra amin'izany. Tantsaha iray Andriamatoa Ranaivoson Fleuris avy eto amin'ny Faritra Analamanga no nahazo tombontsoa amin'izay famokarana biolojika izay, dia ny famokarana tsy mampiasa taharo simika.

Andriamatoa Ranaivoson Fleuris, tantsaha mpamokatra hazo fihinamboa mivohy ny fambolena biolojika eny amin'iny distrika Antananarivo-Atsimondrano. Nahitàny ny hiraka ny fiaraha-miasa tamin'ny tetik'asa fa teo ihany koa ny fihofanana noratoviny. Miainga amin'ny fampiasàna ny zezika biolojika azo avy amin'ny zezika kankana no ahafahana mamokatra.

Ankohatra ny hazo fihinamboa, mamboly legioma ihany koa ingahy Ranaivoson Fleuris, mbola biolojika hatrany ny vokatra. Tombony amin'izany famokarana izany ny lalam-barotra. Be mpitady izany ankehitriny.

Olana nefa ny tsy fahampian'ny rano noho ny fiovaovan'ny toetr'andro hany ka mihady lavaka ny tantsaha ahazoana ny rano ahafahana manondraka. Tery ihany koa ny tany volena ka voafetra ny vokatra miakatra. Olana tokony hikarohana vahaolana hoy ingahy Ranaivoson Fleuris.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...