♦ Nodoran'ny fokonolona, tsy faly tamin'ny tifitra nataon'ny zandary, ka nahafaty lehilahy iray tao amin'ny Kaominina Antanetibe Anativolo, Distrikan'Anjozorobe ato amin'ny Faritra Analamanga, ny biraon'ny zandary tany an-toerana... ♦ Toherin'ny mpianatra monina eny amin'ny Cité Ravitoto ny fikasana hanangana toeram-pitsaboana CSB2, tsy lavitra ny faritra misy azy ireo. Nanao hetsika nanehoana izany izy ireo omaly ary mbola nitohy tamin'ity androany ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...