Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 12, 31 — 13, 13)

Ireto telo ireto no mitoetra, ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Ry kristianina havana,
ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy,
dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao.
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho,
nefa tsy manana ny fitiavana,
dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.
Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho,
ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra,
ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza,
raha tsy manana ny fitiavana,
dia tsinontsinona aho.
Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra,
ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako,
raha tsy manana ny fitiavana aho,
dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.

Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy;
ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po;
tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;
manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana.
Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany,
ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra,
ary ny fahalalana dia hiato.
Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika;
ka rahefa tonga ny feno dia foana ny tapany.
Fony mbola zaza aho,
dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza;
fa nony lehilahy aho, dia nialako ny fanahin-jaza.
Ankehitriny dia mizaha amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava;
fa rahatrizay, hifanatrika;
ankehitriny, tapany no fantatro;
fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra;
ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana;
fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 4-5. 12 sy 22

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hiravao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Hohariko amin’iza re ny olona amin’ity taranaka ity, ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:
‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’
Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’
Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’
Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 12, 12-14. 27-31a)

Ianareo no vatan’i Kristy sy rantsam-batany.

Ry kristianina havana,
toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na olom-potsy;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.
Ianareo no vatan’i Kristy,
ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany:
voalohany Apôstôly;
faharoa mpaminany;
fahatelo mpampianatra;
manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana,
hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
Moa Apôstôly izy rehetra?
Moa mpaminany izy rehetra?
Moa mpampianatra izy rehetra?
Moa manao fahagagana izy rehetra?
Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra?
Moa miteny teny samihafa tsy fantatra izy rehetra?
Moa mandika teny izy rehetra?
Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Vahoakany sy ondry fiandriny isika.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo.
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.

Fa Azy isika satria nohariany,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera.

Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe:

“Aza mitomany.”

Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa:

“Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.”

Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”

Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 11, 17-26. 33)

Raha misy fisarahana eo aminareo, dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo.

Ky kristianina havana, misy zavatra tsy iderako anareo,
dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy.
Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo,
dia misy fisarahana eo aminareo;
ary mba misy inoako ihany izany,
satria tsy maintsy misy andaniny maro eo aminareo,
mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.
Ka raha miangona ianareo,
dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo,
fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo,
ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo!

Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo?
Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra,
ka sahy manome henatra ny tsy manana?
Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho?
Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho!
Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa:
tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa, dia nandray mofo,
ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe:

“Raiso ary hano, fa Vatako itý ho anareo;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.”

Toy izany koa, nony efa nihinana, noraisiny ny kalisy, dia hoy Izy:

“Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo.”

Koa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo,
dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
Aoka àry hifampiandry ianareo, ry kristianina havana,
raha miangona ho amin’ny fanasana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Manambàra ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy!

Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-piangonam-be ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
“Lehibe ny Tompo!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)

Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka,
dia niditra tao Kafarnaôma.
Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty.
Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny,
dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy
ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.
Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo,
dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe:

“Mendrika hanaovanao izany izy,
fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”

Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa.
Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy
dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe:

“Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re,
fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho;
ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory,
fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko.
Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa,
ka ny anankiray ilazako hoe: ‘Mandehana’, dia mandeha;
ny anankiray ataoko hoe: ‘Avia’, dia avy;
ary ny mpanompoko koa hoe: ‘Ataovy izany’, dia manao izy.”

Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho,
na dia tamin’i Israely aza.”

Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka,
dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 5-9a)

Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko.

Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Akaiky Ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy?
Aoka hifanatrika isika!
Iza no manohitra ahy?
Aoka izy hankaty amiko!
Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy:
Ka iza no hanameloka ahy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 114. 1-2, 3-4, 5-6, 8-9

Mizotra ny lalako ampian’Andriamanitra ho any an-danitra any, fonenan’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
fa mandre ny feoko Izy:
ny sofiny atongilany
rehefa miantso aho.

Efa voarohin’ny fahafatesana aho, efa tao anaty haratony:
feno fahoriana sy alahelo
no niantso ny Anaran’ny Tompo.
“O ry Tompo ô, hoy aho, mba vonjeo re ny aiko!”

Ny Tompo antra sy marina,
ny Andriamanitray
mahay mangoraka: osa aho ka novonjeny!
Ny aiko nafahany tamin’ny fahafatesana.

Ny masoko nalany tamin’ny tomany,
ny tongotro tamin’izay nanfingana:
koa hizotra eo anoloan’ny Tompo aho
hatrany amin’ny tanin’ny velona!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 2, 14-18)

Ny finoana raha tsy omban’asa, dia tena maty mihitsy.

Ry kristianina havana,
raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa,
inona no soa ho azony?
Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro,
ka ilazan’ny iray aminareo hoe:

“Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”,

nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany,
inona no soa azony amin’izany?
Mba toy izany ihany koa ny finoana,
raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy.
Hamaly koa ny olona hanao hoe:

“Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa.
Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa;
ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-35)

Ianao no Kristy... Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”

Ary ireo namaly Azy nanao hoe:

“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany”.

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Ianao no i Kristy”.

Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara ny filaza izany.
Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona”.

Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...