Sady fanomanana ny Vaovao Mahafaly no efa fanomanan'Andriamanitra hanomezany Ilay mazava amin'ny olona rehetra hananany fiainana any am-parany ny fiainana tsara niainan'ireo olona tsy nahalala an'Andriamanitra. Ho voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjena izao rehetra izao dia raisin'ny Fiangonana adidy ny mampandroso ny olona sy ny voaary... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Tsy nitsitsy fitenenana amin'ireo ambarany ho mpanakorontana ny firenena, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan'ny Antenimieran-doholona androany, nandritra ny lahateny fanokafana ny fivoriana ara-potoana ho an'ny Antenimieran-doholona... • Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, ilay teratany sinoa nitondra fiara sy nanao lozam-pifamoivoizana teny amin'ny By-Pass, ka nitarika fahafatesan'olona... • 12 volana tao aorian'ny nampiharana ny lalana mifehy ny serasera no tokony nijoroan'ny ANRCM. 5 taona aty aoriana anefa, mbola mikatso eo anivon'ny Governemanta izany...
♦ Nosokafana ny maraina teo ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Niantso ny Governemanta hijery sy hitady vahaolana amin'ny fiainan'ny Malagasy ankehitriny ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Mbola zara raha nidina ny vidim-bary eto Antananarivo amin'izao fararano izao. Mbola ahitàna 1.000Ariary ny iray kapoaka eny an-tsena. Miantso ny fampiharan-dalàna ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Mitaky ny hanaovana fanadihadiana mahaleontena momba ny raharaha kôlônely Patrick Rakotomamonjy ny Transparency International Initiative Madagascar...
Ny "RANGO" dia karazan-dahabolana malagasy, atao an-kira amin'ny ankapobeny mitanisa ka misy ny mpiventy ary misy ny mpanaraka. Ny faritra manao ny "RANGO" dia ny anivon-tany, indrindra ny foko Merina sy ny Betsileo. Ny olona mpanao ny "RANGO" dia mety ho vondron'olona, tarika, fokonolona. Ny votoatin'ny rango dia mifantoka amin'ny loha-hevitra iray, arakaraky ny toe-java-misy ka mety ho fanakorana, fandrisiana, fandemen-tsaina ireo mpifanandrina, mety ho fankaherezana, sy fandokafan-tena. Maro ireo fomba no mety ahitana fanehoana "RANGO...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco