Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
13 mey 2025 — Talata, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)
♦Manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna matoa tsy hanitsy ny teti-bolam-panjakàna eny anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Hisy ny fifaninanana fanajariana tanàna eo amin'ireo Fokontany 192 ao an-drenivohitra. Hahazo vola 200 tapitrisa Ariary hanaovana fotodrafitr'asa ireo Fokontany 5 voalohany, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Nitondràna fanavaozana ny volavolan-drija-tenin-dalàna momba ny omby eto Madagasikara. Nisy ny fakàna sy fandravonan-kevitra mifandraika amin'izany teny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, androany...
♦ Fotoana handraisan'ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina fanapahan-kevitra amin'ireo ministra tsy nahomby amin'ny asany, ny akon'ny fihaonan'ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny antoko RPSD. Fihaonana hotanterahana ny 12-13 jona izao... ♦ Hanampy betsaka ireo madinika ny fifanaovan-tsoniam-piara-miasa eo amin'ny fikambanan'ny orinasa Malagasy FOM sy ny BNI amin'ny alalan'ny KRED Madagasikara... ♦ 69% amin'ny taham-pahaveloman'ireo zana-kazo nambolena amin'ny ankapobeny, raha ho an'ny taona 2024. Hamafisina hatrany ny ezaka fikolokoloana sy fanaraha-maso ny hazo novolena, hoy ny Ministry ny tontolo iainana...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco