Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 2, 12. 17-20)

Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka Izy.

Izao no holazain’ny tsy mpino:
Ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika, manìny antsika amin’ny fandikana ny lalàna,
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarana antsika.
Aoka hozahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialàna amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia harovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 53, 3-4. 5. 6 sy 8

Ny Tompo no Ilay Mpanohana ny fanahiko.

Vonjeo amin’ny Anaranao aho, Andriamanitra!
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko,
mampandria sofina amin’ny teniko.

Mpiavonavona no mitsangan-kamely,
olon-dozabe no mitady ny aina:
izay mba hihevitra an’Andriamanitra
tsy ao an-tsainy velively.

Indro Andriamanitra nanampy ahy
ny Tompo niahy ny fanahiko.
Koa tonga aho hanolotra sorona amin’ny hazavam-ponao.
Eny, ry Tompo, tonga aho hidera ny hasoan’ny Anaranao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 3, 16 — 4, 3)

Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.

Ry kristianina havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana,
dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha,
ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana voka-tsoa,
tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo?
Moa tsy avy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo;
mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana;
mifanditra sy miady ianareo;
ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka,
dia ny hahazo izay hiaranan’ny filandratsinareo;
ka tsy mahazo ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona... Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:

“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona,
dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy
raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany”.

Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:

“Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”.

Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako,
dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Tsy tokony ho menatra isika raha mahatsapa fa ilaina ny mivavaka. Ny vavaka fangatahana dia mandeha miaraka amin'ny fanekena ny fetrantsika sy ny toe-javatra misy amin'ny maha-zavaboary antsika. Ny Tompo no manome antsika, ary ny zavatra rehetra dia fahasoavana. Na izany aza, aoka isika tsy hanakana ny fangatahana mipoitra amin’ny vavaka... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Alahady faha-24 mandavantaona : Misy hasiny ny fijaliana ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny endriky ny mpanompon'Andriamanitra no hasehon'ny vakiteny voalohany, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Izaia Mpaminany : isan'ireo sokajiana ho tonon-kiran'ny mpanompon'Andriamanitra ity vakiteny ity. Ny mpanompon'Andriamanitra dia olona môdely sy fakan-tahaka. Ny fomba nanehoan'i Jesoa ny maha Kristy azy dia amin'ny alalan'ny fanoloran-tenany dia ny misterin'ny paka : fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-ko velona...

15 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-35)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...