Mahatsapa ankehitriny noho ny hazakaza-dava sy ny vesatry ny fiainana, ny fahasahiranana ara-piainana, ny mozika sy ny tabataba be tsy ifandrenesana ka tsy hahafahana mihaino ny feon'ny fieritreretana sy ny bitsiky ny Fanahy Masina, ny vokatry ny fandrosoana sy ny fanatontoloana mirimorimo mafy loatra. Maika lava ny olona ankehitriny ka tsy mahari-pery... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

17 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 58, 9b-14)

Raha manome ny haninao ho an’ny noana Ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga,
ny fanambanana sy ny teny manala baràka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao;
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay,
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao
sy ho tahaka ny loharano velona tsy manam-paharitana.
Ny taranakao hanorina indray ny rava ela;
ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola;
ny olona hiantso anao hoe:
Mpamboatra ny banga,
mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo honenana.
Raha fadìnao ny manitsakitsaka ny sabata,
amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina,
raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana,
sy ny andro masin’ny Tompo hoe: mendrika hohajaina.
Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao,
sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;
dia hahita fahafinaretana ao amin’ny Tompo ianao amin’izany;
sady hasandratro toy ny mpandresy,
eo amin’ny avo amin’ny tany,
sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 85, 1-2. 3-4. 5-6)

Tariho amin’ny lalanao aho, ry Tompo.

Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
fa dia ory sy mahantra re ity izaho!
Ity sakaizanao mifikitra aminao:
mba arovy sy tsimbino lalandava.

Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
Ity fanahiko asandrato aminao,
dia ho dibo-kafaliana re ny foko.

Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo:
he! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy:
izany antso sy talahoko reneso.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)

Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi,
nipetraka teo amim-pamonan-ketra, ary hoy Izy taminy:

“Manaraha Ahy.”

Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy.
Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi,
ary nisy poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy tao.
Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
ka nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota ianareo?”

Fa novalian’i Jesoa hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary.
Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 58, 1-9a)

Moa izany no fifadian-kanina ankasitrahiko?

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao;
ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao,
ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany,
ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
Mitady Ahy isan’andro izy ireo,
samy maniry hahalala ny lalako,
mova tsy ny firenena efa manaraka ny rariny,
sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory.
Mangataka fitsarana marina amiko izy,
ary maniry hohatonin’Andriamanitra:
Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany,
sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany?
Amin’ny andro ifadianareo,
mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo;
ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.
Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady,
ary mamely totohondry an-katezerana aza!
Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany,
tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.
Moa izany va no fifadiana ankasitrahiko?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro,
sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahin’ny Tompo?
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahorina ho afaka,
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Moa tsy ny hizarànao ny mofonao amin’izay noana va,
sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany, ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodilalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: “Inty Aho!”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 50, 3-4. 5-6a. 18-19)

Ny fo torotoro sy montsamontsana, tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra.
Fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako.

Lavinao tsotra izao ny fanatitra;
toy izany ireo sorona dorana.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotra.

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)

Rahefa miala eo aminy ny mpampakatra vao hifady hanina izy.

Tamin’izany andro izany,
dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe.

“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro
hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao mifady hanina izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...