Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 2, 11-19)
Tamin’izany andro izany,
nanao ratsy teo imason’ny Tompo ny zanak’i Israely,
fa nanompo an’ireo Baala.
Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany,
izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
fa andriamani-kafa,
tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny,
sy niankohofany teo anatrehany,
ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo.
Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’ny Tompo
ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy,
ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Izay nalehany namelezan’ny tanan’ny Tompo hampahory azy avokoa,
araka ny efa voalazan’ny Tompo,
araka ny nianianan’ny Tompo taminy rahateo
ka dia azon’ny fahoriana mafy be izy.
Nanangana mpitsara ihany ny Tompo hanafaka azy ireo tamin’izay nandroba azy;
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy;
fa nandeha nitolo-tena tamin’ny andriamani-kafa,
sy niankohoka teo anoloan’ireny.
Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany,
izay nitandrina ny didin’ny Tompo;
tsy nanao tahaka izany izy.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo ny Tompo,
dia nomban’ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo
tamin’ny tanan’ny fahavalony,
tamin’ny andro rehetra iainan’ny mpitsara;
satria nalahelo ny Tompo noho ny fitarainany
teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.
Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy
mihoatra noho ny razany indray aza,
ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy
sy hiankohoka eo anatrehany,
fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44
Ireo olona voalazan’ny Tompo
dia tsy naringany velively.
Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.
Voazimban’ny nataony izy ireo,
zary janga noho ny asany.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny vahoakany,
tonga halany mainty ny lovany.
Matetika anefa nafahany ihany;
kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana.
Kanjo hitany ny fahaporetany;
henony ny ferin’ny ainy.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)
Indray andro,
nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Dia hoy Izy namaly azy:
“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao,
tandremo ny didy.”
Dia hoy izy hoe:
“Didy inona avy?”
Dia hoy i Jesoa:
“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”
Dia hoy ilay tovolahy taminy:
“Hatra ny fony mbola kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo,
dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 56, 1. 6-7)
Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo:
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ao an-tendrombohitro masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:
“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 66, 2-3. 5. 6 sy 8
Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hain’ny firenen-drehetra ny vonjinao!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 11, 13-15. 29-32)
Aminareo Jentily havana no itenenako:
amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy,
dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,
mba hahavelom-pialonana amin’ireo tapako,
sy hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao.
Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao,
hanao ahoana kosa ny fandraisana azy:
tsy ho fitsanganan-ko velona va?
Satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy Kananeanina anankiray nivoaka avy amin’izany tany izany,
niantsoantso mafy nanao hoe:
“Mamindrà fo amiko,
ry Tompo Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”.
Fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:
“Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”.
Ary hoy ny navaliny azy:
“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho”.
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Nefa novaliany hoe:
“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”.
Ary hoy ravehivavy:
“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany”.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”.
Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mibaribary ny sakatsakana atao amin'ny antoko pôlikita tsy mitovy hevitra amin'ny fitondrana manoloana ny fanehoan-kevitra ataony hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, nandritra ny tatitra nataony tamin'ny mpanoa gazety ny fitsidiham-paritra nataony no nanehoany izany omaly... ♦ Hanomboka ny 22 aogositra izao ny fanontàna ny kara-pifidianana araka ny tetiandron'ny CENI. Hifarana amin'ny alahady izao ny fanitsiana ireo tsy fahatomombanana anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Hihamafy ny endrika fitokonana ho ataon'ny SECES sampana Antananarivo. Hiala nenina farany izy ireo araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe natao teny Ankatso, omaly...
Araka ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina dia misy fanoharana momba ny asa hita ao : ny voalohany ny tantaran'ilay zaza mpandany, ny faharoa fanoharana ny momba ny talenta ary ny fahatelo dia ny fanoharana mikasika ny mpiasa eo amin'ny tanim-boaloboka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco