Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 9, 6-15)

Hoy ianao: Aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa ny Tompo no Mpanjakanareo fahiny.

Tamin’izany andro izany,
dia nivory ny mponina rehetra tao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra,
ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka,
teo amin’ny terebintan’ny tsangambato any Sikema.
Nony nilazana izany i Jôatama,
dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima,
ka nanandratra ny feony, nanao hoe:

“Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa.
Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka handimby azy;
ka hoy izy tamin’ny ôliva:

‘Manjakà aminay ianao.’

Fa hoy ny ôliva taminy:

‘Ho foiko va ny diloiloko,
izay mahalaza ahy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’

Dia ny aviavy indray no nataon’ny hazo hoe:

‘Avia, ianao hanjaka aminay.’

Fa hoy ny aviavy taminy:

‘Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto,
ka handeha hihevingevina erý ambony hazo hafa?’

Dia ny voaloboka indray no nilazan’ny hazo hoe:

‘Avia, ianao hanjaka aminay.’

Fa hoy ny voaloboka taminy:

‘Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’

Tamin’izay dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo milobolobo:

‘Avia ianao hanjaka aminay.’

Dia hoy ny tsilo tamin’ny hazo:

‘Raha marina tokoa ary,
fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka,
dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko,
fa raha tsy izany,
aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao!

Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao
sy miravo aoka izany amin’ny fandresenao!
Izay irin’ny fony omenao;
ny vavaky ny molony tsy lavinao!

Tsenainao tso-drano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay!

Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy.
Ataonao fitso-drano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Sa ratsy ny masonao satria tsara Aho?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.

Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;
ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy,
mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony.
Dia nankany ireo.
Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy:
Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?
Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay.
Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.

Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:
Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany,
aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.
Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe:
Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.
Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo:
Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehana,
fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho,
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Dia toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Misy fiantraikany goavana eo amin'ny fampianaran-janaka any Soanierana Ivongo, ny olan'ny seha-pihariana lavanila. Nankahery ireo ray aman-dreny, ny kandidà ho Filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nitarika tsy fitovian-kevitra tao an-drenivohitr'i Manjakandriana, ny fikitihana ny tsangam-baton'ny 29 marsa 1947... ♦ Olona telo no nampidirina am-ponja vonjy maika, vokatry ny fahafatesan'ny mpianaka tany Betafo, ny alahady teo...

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 6, 11-24)

Ry Jedeôna, ndeha afaho i Israely: ho fantatrao fa homba anao Aho.

Tamin’izany andro izany, dia tonga ny Anjelin’ny Tompo
ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera.
Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay,
mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’ny Madiàna azy.
Niseho taminy ny Anjelin’ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Momba anao ny Tompo, ry lehilahy mahery.”

Fa hoy i Jedeôna taminy:

“Indrisy, Tompoko, raha momba anay ny Tompo,
ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay?
Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe:
‘Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va ny Tompo?’
Fa efa nafoin’ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny;
ary efa natolony eo an-tanan’ny Madiàna.”

Dia nitodika azy ny Tompo ka nanao hoe:

“Mandehana amin’izao hery anananao izao,
ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely;
tsy efa nirahiko va ianao?”

Ary hoy i Jedeôna taminy:

“Indrisy, ry Tompo ô!
Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely?
Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase,
ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada.”

Fa ny Tompo nanao taminy hoe:

“Homba anao Aho,
ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiàna.”

Hoy i Jedeôna taminy:

“Raha nahita fitia teo imasonao aho,
mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko.
Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao,
mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.”

Dia hoy ny Tompo:

“Hiandry mandra-piverinao Aho.”

Nony niditra i Jedeôna,
dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah,
ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena,
ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.
Hoy ny Anjelin’ny Tompo taminy:

“Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
apetraho eo ambonin’itý vatolampy itý, sy rotsahy ny ro.”

Dia nataony izany.
Ary naroson’ny Anjelin’ny Tompo ny lohan’ny tehina teny an-tanany,
ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy,
nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay;
ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’ny Tompo.
Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’ny Tompo iny ka hoy i Jedeôna:

“Maty aho, ry Tompo Andriamanitra ô,
fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’ny Tompo.”

Hoy ny Tompo taminy:

“Tomoera amim-piadanana,
aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.”

Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’ny Tompo ka nantsoina hoe:
Tompo-Fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

Miteny fiadanana ho an’ny olony ny Tompo.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana,
ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.

Indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amy tany;
mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny rariny.

Handrotsaka orana anie ny Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany;
fa lalan-kizoran’ny Tompo
ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany,
ka nanao hoe:

“Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?”

Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

“Tsy hain’olombelona izany,
fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”

Namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao,
ka inona àry no ho azonay?”

Hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana,
ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany;
ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo,
ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Ary izay rehetra handao ny tranony,
na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny,
noho ny Anarako,
dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Nefa maro izay voalohany no ho farany,
ary maro koa izay farany no ho voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nisedra olana tsy toy ny tany amin'ny Faritany dimy hafa ny fanapahana amin'ny famerana ny naoty amin'ny fahafahana fanadinana Bakalôrea, ho an'ireo teo amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy mitombina intsony ny fitoriana nataon'ny antoko MMM, amin'izao fanomanana ny fivoahan'ny lisitra amin'ny fomba ôfisialy izao, hoy ny Fitsarana... ♦ Nametraka fitoriana miisa roa an'i Raïssa Razaivola, ny Lehiben'ny Firaiketan-draharaham-pitsarana Ambaratonga Voalohany eo Anosy sy ny Mpitsara iray eo anivon'ny PAC...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...