♦ Nampahafantatra ny teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika fa nesorina tamin'ny andraikitra maha Talen'ny Kabinetra azy teo anivon'ity Andrim-panjakana ity, Ramatoa Romiary Andrianarisoa... ♦ Mpandraharaha vahiny roa, no namoahan'ny Fitsarana didy figadrana an-tranomaizina, miampy lamandy 90 miliara Ariary. Mitaraina amin'ny fomba nitsarana azy ireo ny mpisolovavany androany... ♦ Nahazo ivon-toerana famokarana angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro, ny any Antsiranana...
♦ Fararanom-pahasoavana ny volana aogositra satria amin'io fotoana io no atokan'ny Fiangonana Katôlika, hanamasinana ho pretra sy diakra ireo zanaky ny Fiangonana. Nanatanteraka izany tamin'ny sabotsy teo ny tao amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Nanatanteraka fivahinianana masina nanamarihana ny nahatongavan'ny Misiônera Montfortains teto Madagasikara, nankalazana nihany koa ny faha-350 nahaterahan'i Masindahy Louis-Marie Grignon de Montfort...
♦ Voasambotra tany Londres, noho ny fitakiana vola tamin'ny orinasa iray mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, ny Talen'ny Kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa... ♦ Nanambara ôfisialy ny hirotsahany ho kandidà Filoham-pirenena, Andriamatoa Rolland Ratsiraka... ♦ Miombon-kevitra sy manamafy ny fitakian'ny SECES Sampana Antananarivo, ny ENS. Miato avokoa ny asa rehetra eny Ampefiloha...
Ny asam-panjakàna dia isan'ny voaresaka ao amin'ny Baiboly ihany koa dia ny niantsoan'i Jesoa Kristy an'ireo mpamory hetra. I Matio dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesoa Kristy ary nanaiky araka nanao asa araka ny andraikitra nomena azy. Ny Polblikana dia mpiasa-panjakàna, mpamory hetra teny amin'ny seranan-tsambo, mitaky hetra mihoampapana, anefa nanaiky hiova ho mpanarato olona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco