Hifarana amin'ity taona 2023 ity ny fandaharan'asa FORMAPROD. Fitaovana voalohany nafahana nanavao ny Fampiofanana Ara-pambolena sy ny eny Ambanivohitra na ny FAR teo Madagasikara ity fandraharan'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ity. Miabo ny sehatr'asa nataon'ny fandaharan'asa FORMAPROD tao anatin'ny folo taona niasany tato amin'ny Faritra Analamanga hoy ny mpandrindram-pirenena, Rakotonaivo Harilala...
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 1, 1-6)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Jeremia:
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra,
hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:
“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy
ny fanjakana rehetra eto an-tany,
ary efa nandidy ahy Izy,
hanao trano ho Azy any Jerosalema, any Jodà.
Ka iza aminareo no vahoakany?
Homba azy anie ny Andriamanitr’izy ireo,
ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy,
ka hanao ny tranon’ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany,
na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io,
amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitra-po
hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.”
Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina,
ny mpisorona sy ny levita,
dia izay rehetra namporisihin’Andriamanitra ny fanahiny,
ka lasa nandeha hanao ny tranon’ny Tompo any Jerosalema.
Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy,
tamin’ny fanaka, volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy
ary zavatra saro-bidy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo,
mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay.
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay.
Takoritsika re izao nataon’ny firenena:
“Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!
Eny, lalina ho’aho itý nataon’ny Tompo aminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay.”
Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo.
Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana.
Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina avy any ireo velon-kira,
fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mitohy amin'ny fiarahamonim-pirenena indray ny fivoriana mikaton-trano, ataon'ireo ho kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Manamafy ny tokony hikatsahana ny fitoniana eto amin'ny firenena, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny fitsarana ara-bola, ny famoahana didy raikitra amin'ny teny malagasy...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 6-9)
Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy.
Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka, amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo;
dia amin’Andriamanitra, fa mamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo, tsy mba lalako.
— Teny marin’ny Tompo. —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany,
no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 144, 2-3. 8-9. 17-18
Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo, ary mendri-dera fatratra;
tsy takatry ny saina ny halehibiazany.
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 20d-24. 27a)
Ry kristianina havana,
homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy,
na velona aho na maty.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako,
ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho,
dia ho fahavokaran’ny asako izany,
ka tsy hitako izay hofidiko,
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho:
ny handeha ho any amin’i Kristy moa,
iriko sy tsara lavitra;
nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa
no ilaina kokoa noho ny aminareo.
Fa izao ihany e:
manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka maraina koa
hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.
Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja;
ka hoy izy taminy:‘Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko,
fa homeko anareo izay antonony’.Dia nankany ireo.
Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana,
dia hoy izy taminy:‘Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?’
Fa hoy ireo taminy:
‘Satria tsy nisy nanakarama anay’.
Dia hoy izy taminy:
‘Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko’.
Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanimboloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:‘Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany;
aseseo avy aty amin’ny farany,
ka hatrany amin’ny voalohany’.Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany,
dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy
dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe:‘Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro’.Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo:
‘Ry sakaiza,
tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehàna,
fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho?
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?’Dia ho toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco