Hetsika goavana ary saropady ny JNE noho izy mahakasika ankizy tsy ampy taona entina lavitra tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny, noho izany ilaina ny hahafantarana ny ezaka tsara natao sy ny mila hatsaraina hakana lesona mankany amin'ny tsara kokoa hatrany ho an'ny JNE manaraka... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
♦ Mbola hanohana hatrany ny kandidà laharana fahatelo, ny vondron'ny tanora mpitolona tia tanindrazana na ny JPRM. Ilaina ny fanohizana ny dingana sy ezaka efa vita ho fampandrosoana an'i Madagasikara, hoy ity vondrona ity... ♦ Fototry ny olana eto amin'ny firenena ny lalàna, ary hita ny fitanilan'ny HCC, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny antoko Fiombonana, Durlin Retogniane... ♦ Hisy ny famokarana fandaharana eto amin'ny RDB, izay hanampy ireo tanora amin'ny sehatry ny fitadiavana na famoronana asa. Tontosa omaly tety Ivato, ny fankan-kevitra niarahana tamin'ireo mpiara-miombona antoka...
Ny zon'ny mpiasa dia toy ny zo hafa rehetra, dia miorina amin'ny toetra maha-olona ny olona aéry amin'ny hasiny mihoatra an'izao hita maso. Ràriny ny hankatoavana ny zo ary araky ny didy aman-dalàna : Zo hahazo tambin-karama ara-drariny, zo hahazo fialan-tsasatra, zo hanana toeram-piasana ary lamin'asa tsy manimba ny fahasalaman'ny mpiasa ary tsy manohintohina ny fahamarinany ara-môraly... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
22 septambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco