♦ Lahika manodidina ny 900 avy amin’ny Diôsezy 16 no nanatrika ny fankalazana ny andron’ny lahika nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 septambra, tao amin’ny Diosezin’ny Mananjary... ♦ Nikarakara hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana ny fandaharan’asa PCEE avy eo anivon’ny ivon-toerana Arrupe Faravohitra... ♦ Fitiavana maimaim-poana tsy misy tambiny no itiavan’Andriamanitra antsika. Io no votoanton’ny fampianaran’i Papa François nandritra ny Angelus omaly...

♦ Tsy hitondra soa ho an'ny firenena sy ny vahoaka malagasy ny fambolena krizy vaovao ka nanaovan'ny Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana antso avo... ♦ Ampy izay hoy ny antoko RDS, ny famiravirana, ny tsy fanajàna ny Lalam-panorenana sy ny Lalàna velona izay loharanon'ny tsy fampandrosoana ny firenena, tao anatin'ny fanambarana... ♦ Mbola olana ho an'ny mpanao gazety ny fahazona loharanom-baovao eo anivon'ny andrim-panjakàna sy ny ministera hoy ny ONG Ilontsera... ♦ Hafaliana no nandraisan'ireo miaramila mitàna ny fahefana any Niger ny filazan'i Frantsa fa hampody ny tafi-panjakana frantsay sy ny masoivohony i Frantsa...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 9, 5-9)

Tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozana ny Andriamanitray.

Izaho Esdrasa,
efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako;
ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra,
dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho
nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:

“Andriamanitro ô,
safo-kenatra sy mangaihay loatra aho,
tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro,
fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay,
ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany,
dia efa meloka loza erý izahay;
ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay,
ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa,
ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Nisy andro anefa
nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay,
dia navelany hisy sisa afaka izahay,
ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina,
mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay,
sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay.
Fa andevo izahay,
nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray.
Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy,
hamelombelona ny ainay,
mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo,
dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8

Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra!
Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!

Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy!
Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika,
Raintsika amin’ny taona rehetra.

Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.

Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!

Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota:
“Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany:
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)

Nirahiny izy ireo hitory ny fanjakan’ny lanitra sy hanasitrana ny marary.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra
sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:

“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano
ho fiampangana azy ireo.”

Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 6, 7-8. 12b. 14-20)

Noravahan’izy ireo ny tranon’ny Tompo, dia nataony ny Paka.

Tamin’izany andro izany,
nanoratra tamin’ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano
i Dariosa mpanjaka nanao hoe:

“Avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra;
aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody
hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.
Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody,
hanorenana indray ny tranon’Andriamanitra io:
ny haren’ny Mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony,
no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
Didy nomeko izaho Dariosa itý;
ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”

Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely,
ka nandroso tsara ny asa,
noho ny faminanian’i Akjea mpaminany,
sy i Zakaria zanak’i Adao.
Nanao izy dia nahavita araka ny didin’Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa,
i Dariosa, i Artakserksesa mpanjakan’i Persa.
Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,
taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.
Ary ny zanak’i Israely, ny mpisorona, ny Levita,
ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana,
dia samy nitokana ny Tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io:
ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak’ondry efa-jato
ary osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny fokon’i Israely,
ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy,
sy ny Levita araka ny fizarany avy,
hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema,
araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môizy.
Tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany,
dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.
Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka,
ka samy efa madio avokoa.
Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra,
sy ho an’ny rahalahiny mpisorona, ary ho an’ny tenany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5

Faly aho nilazana hoe: andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Faly aho nilazana hoe:
andao ho any an-tranon’ny Tompo;
ny tongotray indro mijadona
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.

Ry jerosalema ilay voaorina
ho tanàna tsara rafitra,
hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’ny Tompo.

Fa didy, ry Israely,
ny midera ny Anaran’ny Tompo;
ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana,
ny fiketrahan’ny tranon’i Davida.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

Ny reniko sy ny havako dia ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy manatanteraka azy.

Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:

“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”

Dia novaliany hoe:

“Ny reniko sy ny rahalahiko,
dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...