Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 5, 27-33)
Tamin’izany andro izany,
nentin’ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny namany ny Apôstôly,
ka napetrany tao amin’ny Sanedrina,
sy nadinin’ny lehiben’ny mpisorona hoe:
“Efa noraranay mafy ianareo
mba tsy hampianatra amin’izany anarana izany,
kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo,
ary izahay indray no tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.”
Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe:
“Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa,
izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra
ho Mpifehy sy Mpamonjy,
mba hanome fibebahana sy famelen-keloka an’i Israely.
Ary izahay sy ny Fanahy Masina nomen’Andriamanitra
an’izay rehetra manaiky Azy
no vavolombelon’izany zavatra izany.”
Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin’ny fandrenesana izany
ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 2 sy 9. 17-18. 19-20
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra,
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo:
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:
“Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra;
fa izay avy amin’ny tany dia tany,
ka ny ety an-tany ihany no lazainy.
Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra;
ary izay efa hitany sy reny no ambarany,
nefa tsy misy mandray ny fanambaràny.
Izay nandray ny fanambaràny
dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra
fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
Ny Ray tia ny Zanaka,
ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.
Izay mino ny Zanaka
no manana ny fiainana mandrakizay,
fa izay tsy mino ny Zanaka
dia tsy hahita ny fiainana
fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 5, 17-26)
Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy,
dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka.
Nasainy nosamborina ny Apôstôly,
dia nataony an-tranomaizina.
Fa nony alina kosa,
dia nisy Anjelin’ny Tompo
namoha ny varavaran’ny tranomaizina,
ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe:
“Mandehana mankao amin’ny tempoly,
ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra,
ny amin’izany fiainana izany.”
Rahefa nandre izany izy ireo,
dia niditra marainakoa tao amin’ny tempoly
ka nampianatra.
Tonga kosa ny lehiben’ny mpisorona
sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrina
mbamin’ny loholona rehetra tamin’ny zanak’i Israely,
ary naniraka nankao amin’ny tranomaizina
haka ny Apôstôly.
Dia nandeha ny iraka,
nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony,
ka lasa niverina nilaza izay hitany nanao hoe:
“Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara,
ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana;
kanjo nony novohanay,
tsy nisy olona tao anatiny.”
Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly
sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany,
satria tsy takany velively
izay tokony ho nahatonga izany.
Fa tamin’izay kosa inty nisy olona anankiray tonga
nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Indreo ry zareo nataonareo tao an-tranomaizina ireny,
ao an-tempoly ao, sady mampianatra ny olona.”
Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny namany,
nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao hotorahan’ny vahoaka vato.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Salamo 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9)
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjìna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo;
sambatra ny olona mifefy aminy.
Aleloia. Aleloia.
Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:
“Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao:
nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina;
fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana:
tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana,
nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana,
satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy
dia tsy tia ny fahazavana ka tsy manatona ny fahazavana
sao hita miharihary ny asany;
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana,
mba hiharihary ny asany,
fa atao amin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 4, 32-37)
Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra;
tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy,
fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly
ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona
ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.
Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo,
satria izay rehetra nanan-tany na trano,
dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo,
ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra
araka izay nilainy avy.
Nisy levita anankiray atao hoe Jôsefa
izay nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnabe
(izany hoe zanaky ny fanalana alahelo);
teraka tany Sipra: nanan-tany izy, ka namidiny,
dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5
Andriana manjaka Ianao, ry Tompo.
Mitafy ny hery tsy hay tohaina.
Ny zava-drehetra harin-tananao;
tomombana fatratra tsy mivena.
Mirafitra mafy ny rovanao,
fa manda miorina tsy mikoro.
Hatrany am-boalohany teo Ianao.
Ho mandrakizay re tsy hanam-petra.
Ireo Teny rehetra voalazanao.
E! lalina, marina, tsy mivaona.
Ny fahamasinana feno haja,
manerana izany fonenanao.
Aleloia. Aleloia.
Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 7-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:
“Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe:
‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’
Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony,
nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany;
tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.”
Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe:
“Atao ahoana no hahatonga izany?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mpampianatra amin’i Israely ianao
ka tsy mahalala izany va?
Lazaiko marina dia marina aminao
fa izay fantatray no lazainay,
ary izay hitanay no ambaranay,
nefa tsy raisinareo ny filazanay.
Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra ety an-tany,
hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra?
Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra
afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany,
dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra.
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 4, 23-31)
Tamin’izany andro izany,
rahefa nosamborin’ny Jody i Piera sy i Joany ka nalefany
dia lasa niverina tany amin’ny namany
ka nanambara tamin’izy ireo izay nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona taminy.
Vao nandre izany kosa ireto rahalahiny,
dia niara-nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanao hoe:
“Tompo ô!
Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany
ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy.
Ianao no niteny tamin’ny Fanahy Masina
sy tamin’ny vavan’i Davida razanay sady mpanomponao hoe:
nahoana no nitabataba ny firenena,
ary no nisaina teti-dratsy foana ny vahoaka?
Niodina ny mpanjakan’ny tany,
ary niray tetika ny andrian-dehibe
mba hanohitra ny Tompo sy i Kristìny.
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity
i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny jentily
hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,
ka nahatanteraka izay notendren’ny tananao
sy ny lahatrao rahateo hatao.
Ary ankehitriny, Tompo,
jereo ny fandrahonany,
ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa,
sady ahinjiro ny tananao
mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka
amin’ny Anaran’i Jesoa Mpanomponao masina.”
Nony avy nivavaka izy ireo,
dia nihozongozona ny trano nivoriany,
ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra,
ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Salamo 2, 1-3. 4-6. 7-9)
Ahoana no mihotakotaka ireo firenena,
na mihahohaho foana ireo vahoaka,
no mitraka ny mpanjakan’ny tany,
no miara-mioko ny andriana,
mba hanohitra ny Tompo sy hanohitra Ilay Voahosony?
Tapahontsika ny rohiny!
Mihomehy Ilay mitoetra any an-danitra;
mikizaka fotsiny ny Tompo
dia mamely ireo lehibeny amin-katezerana,
sy manamongo azy amin-kavinirana.
Izaho no mametraka Azy ho Mpanjaka
eo Siôna vohitro masina!
Koa ambarako ny didin’ny Tompo:
Zanako Ianao, hoy Izy, mantsy Ahy:
Izaho no niteraka Anao androany!
Angataho amiko fa homeko ho lovanao ireo firenena,
sy ho fanananao ny faran’ny tany!
Poteho amin’ny tehim-by ireny;
ataovy fanamontsana vilany tany.
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 1-8)
Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema,
isan’ny lehibe tamin’ny Jody.
Nankao amin’i Jesoa izy nony alina
ka nanao taminy hoe:
“Raby,
fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao,
fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao
raha tsy Andriamanitra no momba azy.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Lazaiko marina dia marina aminao
fa raha tsy ateraka indray ny olona,
dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.”
Ary hoy i Nikôdema taminy:
“Ataon’ny olona ahoana no hateraka indray
rahefa antitra izy?
Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy
ka hateraka indray?”
Fa hoy i Jesoa:
“Lazaiko marina dia marina aminao
fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona,
dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Izay ateraky ny nofo, dia nofo,
ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy.
Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe:
‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’
Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony,
nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany;
tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco