♦ Ho tsaraina rahampitso amin'ny 9 ora maraina eny amin'ny efitrano fahatelo eny amin'ny Fitsarana Anosy, ny raharaha navoarohirohy ilay mpanao gazety AVIMANA Fernand Cello... ♦ Maro ny fanovàna ny daty fara-fanjifàna atao amin'ireo sakafo miditra eto Madagasikara hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Azo atao tsara ny manova ny fanabeazana eto Madagasikara ho any amin'ny fahatsaràna tokony hisy azy hoy ASMAE, ny Association Soeur Emmanuel... ♦ Hisy valim-panafihana ataon'i Iran ho an'i Etats-Unis, raha ny nambaran'ny filoha Iraniana MASSOUD PEZESHKIAN, omaly...
Andro sisa isaina, dia higadona indray ilay andro malaza, daty mana-tantara eo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy. Tsy inona izany fa ny datin’ny faha 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenena Malagasy… ny marimarina kokoa dia hankalazana ny tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Ny faha 26 jona 1960 tokoa mantsy no nanambarana ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara tao aorian’ny dinika teo amin’ireo mpitari-tolona politika Malagasy sy ny fitondrana Frantsay tamin’ny fotoan’androny. Nahaleotena i Madagasikara nanomboka ny taona 1960, nefa mijanona ho firenena mifampiankina tanteraka tamin’i Fransa, noho ny fifanarahana fiaraha-miasa na ilay atao hoe “accord de coopération”.
♦ Notontosaina teny amin'ny EKAR Katedraly Andohalo omaly tolak'andro ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, notarihan'ny FFKM ho fitrotroana am-bavaka ny firenena, noho ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena... ♦ Mihemotra ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara, hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny vahoakan'Anosiala atao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny sabotsy teo teny amin'ny Kianja Barcelone ny Ben'ny Tanàna voafidy teny amin'ity kaominina ity... ♦ Mihamafy ny ady eo amin'i Israely sy Iran, taorian'ny daroka baomba nataon'i Etazonia...
23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco