♦ Handray andraikitra tandrify azy hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ny antenimieram-pirenena. Miantso ny CENI ihany koa hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny filohan'ity andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, Tokely Justin... ♦ Hotohanana amin'ny famoronana asa ho an'ny tenany ireo tanora tsy an'asa amin'ny faritra iva ao an-drenivohitra ao. Mikarakara fampiofanana arak'asa faobe ho azy ireo ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa... ♦ Namolavola fandaharan'asa ahafahana miatrika ny loza voajanahary ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Anglisy. Mamatsy vola tamin'izany ny governemanta Britanika...
♦ Tsy tanteraka ny hetsika nokasain'ny mpanohana ny TIM sy ny vovonana Firaisankina natao teny amin'ny Magro Behoririka omaly. Fitrotroana am-bavaka ny firotsahan'ny kandidà Ravalomanana sy ny mpanolotsaina iray lisitra aminy nosakanan'ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahazoana alalana... ♦ Hamory ny sendikan'ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakàna ary ny mpiasa misotro ronono eny amin'ny kianjan'Antsahamanitra ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy (KIM) amin'ny sabotsy izao... ♦ Hiakatra kianja any Tonizia indray ny Barean'i Madagasikara anio hifanandrina amin'ny ekipam-pirenena Toniziana. Andro voalohany amin'ny fifanitsanana isam-bondrona handraisana anjara amin'ny CAN 2025...
Tsy afa-misaraka amin'ny vavaka ny fampianaran'ny Apôstôly sy ny fiombonana ary ny Eokaristia. Manana ny anjara asany ny vavaka satria mampifandray ny Fiangonana amin'i Kristy Filohany. Niainga avy amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fampianaran'ny Apôstôly ; misy fifandraisana noho izany ny vavaka sy ny Tenin'Andriamanitra. Sady niombom-bavaka no niombom-pananana ireo kristiana voalohany. Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
5 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco