Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny olombelona dia akaiky an'Andriamanitra ; tsara hotadidiana ny voalazan'ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Deteronomy hoe : diniho tsara, iza ny vahoaka manana andriamanitra akaiky azy tahaka ny anananareo Ahy akaiky anareo?. Ny fahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo no manambara fa Ray mandrakizay Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco