19 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Ry kristianina havana; mbola ao Jerikô ihany i Jesoa no mihaona amin’i Zake. Rehefa nandre ny momba an’i Jesoa i Zake dia naniry hahita azy; hany ka nitady ny fomba rehetra, hatramin’ny mihanika hazo aza, mba hahitany Azy. Izay faniriana sy hetaheta izay no dingana voalohany, varavarana misokatra hidiran’Andriamanitra sy ahafahany miasa. Tsy afaka hanao an-keriny sy hanao amboletra manko Andriamanitra fa miandry antsika haniry azy Izy na dia faniriany sy fikasany aza ny hamonjy. Dia rehefa mifanojo ny faniriantsika sy Andriamanitra dia izay no famonjena.
Nandalo i Jesoa; nahita an’i Zake Izy dia niteny mba hampandroso azy ao an-trano. Nifanojo ny maso sy fijery; i Zake naniry hahita fa i Jesoa naniry hamonjy… Tafahaona ny tia sy ny manina. Nampiantranoin’i Zake an-kafaliana i Jesoa; Izy koa nandroso am-pitiavana ary niaraka tamina olona maro mila famonjena koa. Vokatry ny fihaonana: nijoro, nitraka mitory fahavononana, nibaboka sy nibebaka i Zake, nanonitra ny fahotany, niova fiainana tanteraka. I Jesoa koa ankilany nidera ny fanapahan-keviny ary faly nandray azy ho isan’ny olom-boavonjy. Izay mampandroso an’Andriamanitra dia ampandrosoin’Andriamanitra. Izay mampiantrano an’Andriamanitra dia ampiantranoin’Andriamanitra. Amen.