Sabotsy 04 janoary 2020 - Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 25-42 - Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe.
Andalam-pivoarana ny làlam-pihariana ovy ao Vakinankaratra hoy Andriamatoa Rakotomalala Filohan'ny làlam-pihariana Ovy any an-toerana.
Zoma 03 janoary 2020 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34 — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra.
Alakamisy 02 janoary 2020 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28 — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany, nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco