Talata 24 desambra 2019 — Herinandro fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79 — "Ry ilay Mpanjakan'ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin'ny vovo-tany".

Fibeazana ara-pahasalaman'ny tsirairay no antom-pisian'ny fandaharana. Atolotra ny fanabeazana, henoina sy fakafakaina ary hanapahan-kevitra.

Alatsinainy 23 desambra 2019 — Herinandro fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66 — "Ianao ilay Emanoela, mpanjaka sy mpanalàlana anay. Avia hamonjy anay ry Tompo Andriamanitray."

Alahady 22 desambra 2019 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24 — "Indro hitoe-jaza ny virjiny ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika".

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...