Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 17, 22-24)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
“Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko;
holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany,
ka hamboleko eo antampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina.
Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy;
handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona
honenan’izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny,
honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha,
fa Izaho Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry;
nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina.
Izaho Tompo no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 91, 2-3. 13-16
Tsara ny misaotra ny Tompo,
ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra,
ny mitory ny fitiavanao vao maraina
sy ny fahamarinanao raha alina.
Ny olo-marina mamololona toa antrendry,
misandratra avo toa sederan’i Libàna;
ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry,
an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.
Na antitra aza izy mbola mamokatra,
milenodenoka, ho ranon-kazo:
ka maneho fa mahitsy ny Tompo;
ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 6-11)
Ry kristianina havana, noho izahay manana toky mandrakariva,
sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana
(satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana),
dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana,
mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina, mba hankasitrahin’ny Tompo,
na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy,
mba handraisantsika tsirairay avy,
izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana,
na soa na ratsy izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany,
dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana”.
Ary hoy indray Izy:
“Amin’inona no hampitahantsika ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony”.
Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao, ny toetra sy ny fihetsika dia ny fanao mahazatra, fomba fiheverana mirakitra fahendrena, maneho ny maha izy azy ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny riba dia maneho zavatra sarobidy ao anatin'ny fiaraha-monina ; misy toetra sy fihetsika mifototra tamin'ireo hafatra napetrak'ireo razambe teo aloha, iombonan'ny besinimaro ary hifandovana. Ny Riba dia mivoatra araka ny vanim-potoana, izany hoe misy ny "riba tranainy na ela" sy ny "riba vao" ; ohatra ny famorana dia ny rain-jaza no nanatanteraka azy taloha fa ankehitriny dia efa mpitsabo nianatra manokana ; izany hoe hatarafana ny fomba taloha sy ny vao. Iray ihany ny RIBA sy ny FOMBA, KOLOTSAINA...
♦ Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika tamin'ny fifidianana solombavambahoaka teo ny CENI anio. Arahin'ny maro ny mety hisian'ireo fitsimbadihana, oharina tamin'ny fironam-bokatra nivoaka farany... ♦ Samy namoaka fanambaràna omaly ny vovonana pôlitika IRMAR sy ny kôlektifa an'ny Malagasy, noho ny zava-misy taorian'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny Tsimbazaza ny lalàna momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2024. Tsy nisy ny nitsipaka izany ireo solombavambahoaka 64 nanatrika ny fivoriana itambaram-be... ♦ Tsy niandry ela fa hanomboka sahady ny zotra-pifidianana amin'ny fifidianana solombavambahoaka mialohan'ny fotoana any Frantsa...
Fomba sy lovam-panahy ho an'ny kristiana ny vavaka satria maka tahaka an'i Jesoa kristy ny tena kristiana, jesoa nivavaka ; ny Apôstôly àry dia nangataka mba hampianarina hivavaka. Ny vavaka rehetra ataon'ny Kristiana, na iombonana na samirery, dia mandalo ao amin'i Jesoa avokoa. Ny vavaka dia firesahana mivantana amin'Andriamanitra, eo no angatahina ny fitarihan'ny Fanahy Masina, izay manohana antsika. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco