Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 33, 14-16)
Indro avy ny andro, teny marin’ny Tompo,
hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,
hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho,
izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’izany andro izany i Jodà, hovonjen
ary i Jerosalema handry feizay,
ka hantsoina hoe: Tompo-fahamarinantsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14
Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy,
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.
Ny lalany: fahamarinana, fitiavana
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany:
atorony azy ny fanekeny.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônîka (1 Tes. 3, 12 — 4, 2)
Ry kristianina havana,
ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo,
sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
Hankahery ny fonareo anie Izy,
ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika,
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olomasiny rehetra. Amen.
Farany, ry kristianina havana,
izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo:
efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra
sady efa arahinareo koa,
ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Efa fantatrareo rahateo ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 25-28. 34-36)
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary ety an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany
sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo,
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Miantso ny olom-pirenena mba hibebaka ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny kristianina katôlika manana andraikitra. Mampirisika ny rehetra mba handinin-tena hoe : inona no efa nataoko, ny ataoko ankehitriny sy ny hataoko mba ho fampandrosoana ny tanindrazana, manentana ny tsirairay ihany koa hiala amin'ny kolikoly sy ny toeratra ratsy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tsy misy lalan-kafan'ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an'ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po dia tsy ho tonga any amin'ny Ray raha tsy mivavaka amin'ny anaran'i Jesoa Zanaka isika. Afaka miantso an'Andriamanitra ho "Ray" isika satria ny Zanak'Andriamanitra tonga olombelona no nanambara Azy... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
24 nôvambra 2024 — I Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Fankalazana manetriketrika— Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 18, 33b-37)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco