Mafy ny fifanatrehana sy ny sedra manoloana ny fandrosoana ara-teknolojia, hany ka mahasarotra ny fiarovana ny aina ihany koa izany. Ny asa fahariana dia mifototra amin'ny tso-drano avy amin'Andriamanitra. Ny fiombonan'aina eo amin'ny mpivady dia mahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny andro fankalazana ny "Trinite Masina" no andro natokana ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Amin'ity taona 2022 : andro maneran-tany faha-56 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, izay napetraky ny Papa ho an'ireo mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity : "Mihaino amin'ny fo", izay mifanohy amin'ny loha-hevitra tamin'ny taona lasa. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Manoloana ny fivoaran'ny tontolon'ny serasera sy ny filazam-baovao amin'ny alalan'ny teknolojia dia tena ilaina ny fahaizana mihaino. Ny olona maro izay notsaboina momba ny ratra-po mpahazo ny olombelona sy ny filana dia noho ny faniriana lalina te-hohainoina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Misy ireo andalan-tsoratra Masina ao amin'ny Baiboly ao izay mampianatra antsika fa ny mihaino akory tsy hoe "mandre amin'ny sofina" amin'ny maha retsi-pandrenesana azy fotsiny fa tena mifandray tanteraka amin'ny fifampiresahana eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Ny fihainoana dia tsy avy aiza fa fahasoavana avy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny fahaiza-mihaino dia mifanaraka tsara amin'ny toetran'Andriamanitra manetry tena. Izany asany izany no ahafahan'Andriamanitra manambara ny tenany ilazàny hoe izaho no ilay misy ary mahary ny olombelona hitovy endrika aminy, amin'ny alalan'ny teniny fotsiny ihany, ary rehefa mihaino Azy dia mahalala azy. Tia ny olombelona Andriamanitra ka izany no nampihainoany azy ireny ny teniny. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Mifanohitra amin'izany kosa anefa, toa misy fitanilàna handositra ny fifandraisana ao amintsika olombelona ao, hitodi-damosina ary "hanampi-tsofina" tsy hiaino. Io fandavana hihaino io mazàna dia miafara amin'ny herisetra mianjady amin'ny hafa, tahaka izay nanjo indrindra ny diakra Etiena, araka izay voatantara ao amin'ny boky mintantara ny Asan'ny Apostoly, fa nanampi-tsofina taminy ny olona... Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Izany indrindra no nahatonga an'i Jesoa nanamarina ny fahaizan'ireo mpianany mihaino ka nahatonga azy niteny hoe :"koa tandremo àry ny fihainoanareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay ananany aza". ireo izay mandray ny Teny amin'ny "fo marina sy tsara" ihany ary mitandrina azy tsara no hitondra voa tsara ho amin'ny fiainana sy famonjena. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fitandremantsika tsara izay olona henoitsika, sy izay ambarany ary ny fomba fihainontsika azy ihany no hahazoantsika mitombo sy miha-lehibe ao amin'izany hoe haitaon'ny serasera izany, ka ny ivony dia tsy resaka fahalalàna ara-teknika fotsiny ihany fa "ny fahafahan'ny fo izay mampanjary ny fifanakaikezana". Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Manana sofina avokoa isika rehetra, kanefa matetika, na ireo izay manana fandrenesana faran'izay tsara aza dia tsy afaka hihaino ny hafa akory. Misy araka izany ny hasembanana marenina ao anaty, izay ratsiratsy kokoa indray noho ny fahasembanana ara-batana. Ny fihainoana araka izany dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny retsi-pandrenesan'ny sofina, fa ny maha-olona manontolo mihitsy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny tena ivon'ny fihainoana dia ny fo. Hita nisongadina ho olon-kendry i Salômôna mpanjaka na dia tanora aza satria nangataka tamin'ny Tompo izy mba "hanana fo mihaino". Manasa antsika hihaino amin'ny fo (corde audire), handray ny Tenin'Andriamanitra tsy amin'ny sofina eto ivelany fa am-panahy ao amin'ny fo i Md Augustine : manàna fo ao amin'ny sofina fa tsy sofina ao amin'ny fo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Hoy ny Pape François, ny fihainoana voalohany tokony ho karohintsika raha te hahita serasera tena izy dia ny fihainoana ny tenantsika aloha, ireo filantsika tena izy, izay voasoratra any am-pontsika tsirairay lalina any. Ary tsy maintsy miainga amin'ny fihainoana izay mahatonga antsika ho tokana aman-tany oharina amin'ny voaary rehetra : dia ny faniriana hifandray amin'ny hafa sy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Misy fampiasana ny fandrenesana mifanohitra amin'ny tokony ho asany : mihaino an-katakonana. Misy fakam-panahy hita eny rehetra eny vohizin'izao vanim-potoanan'ny Web-Social izao izay tsapa ho mihamafy hatrany, tsy inona izany fa ny mihaino sy mitsikilo, manao ny hafa ho toy ny fitaovana hanatrarana ny tombontsoantsika manokana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco