Tamin’izany andro izany, nony tafita i Jesoa sy ny mpianany, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona, ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana ho any amin’izay reny fa misy Azy. Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.
Tamin’izany andro izany, niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy : "Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely" : fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina. Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Tamin’izany andro izany : Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe : "I Joany Batista nitsangan-ko velona izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy" ; fa ny sasany kosa nanao hoe : "I Elia izay", ary ny hafa indray dia hoe : "Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany." Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe : "I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany, fa efa nitsangan-ko velona izy." Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. Satria i Joany nanao taminy hoe : "Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao." Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza, saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea. Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy ; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy : "Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao", sady nampiany tamim-pianianana hoe : "Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza." Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe : "Inona no angatahiko ?" Ary hoy reniny : "Ny lohan’i Joany Batista." Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe : "Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista." Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy, dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
♦ Namolavola tolo-kevitra eo anivon'ny SADEC, ahafahana mifanampy amin'ilay raharaha volamena 73,5kg, ny Filoha lefitry ny parlemantera eo anivon'ny SADEC, dia ny solombavambahoaka voafidy tany Betafo... ♦ Ho fitsinjovana ireo fianakaviana marefo, izay mbola akon'ny krizy ara-pahasalamana misy, dia tokantrano 398.700 no hisitraka fanampiana ara-tsôsialy ao anatin'ny enim-bolana...
♦ Miantso fitoniana ny eo anivon'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, manoloana ny tontolo pôlitika mafampana tato ho ato. Mila ahitsy ny fanaovana pôlitika eto amintsika fa mitady hirona any amin'ny fifampihantsiana, hoy ny CFM... ♦ Tokantrano 398.700 no hisitraka fanampiana ara-tsôsialy ato anatin'ny enim-bolana, anatin'ny tetik'asa "Fiatrehana voina sy fanarenana". Nampahafantarina androany ny momba izany...
♦ Manao fanadihadiana momba ilay volamena 73 kilao mehery, niainga teto Madagasikara, tratra tatsy Afrika atsimo ny firaisamonim-pirenena... ♦ Diso fanantenana amin'ny fidinan'ny vidin'ny lavanila ireo mpandraharaha sy mpamboly any amin'ny faritra Sava... ♦ Miverina tsikelikely ny tsena ivelan'ny vokatra Canelle ho an'ny Madagasikara...
Niova sata ny vovonam-pikambanana KOLOHARENA ka ho lasa orinasa mandala ny fikajiana ny tontolo iainana na "entreprise de conservation" manomboka amin'ity taona ity. Izay no tapaka nandritra ny fivoriana niarahany tamin'ny USAID Haitao mpiara-miombon'antoka aminy...
Tsy maintsy manao izay hanavotana ny tontolo iainana isika ankehitriny ho antsika sy ny taranaka ho avy. Miaina ny vokatry ny fiovàn'ny toetr'andro isika amin'izao fotoana. Na dia olana aza izany korontana ateraky ny toetr'andro izany dia tsy hadinoina mihitsy fa tsy maintsy mamela lova tsara ho an'ny taranaka isika. Nitondra ohatra tsara azo ampiharina ny CFGP...
Ny tsy fahampian' ny fitiavana eo amin' ny fiaraha-monina no anton' ny maha voasarika ny tanora handray zava-mahadomelina. (27-01-2021)
♦ Miantso fitoniana manoloana ny toe-d'raharaha politika mafampana tato ho ato ny solombavambahoaka IRD... ♦ Hanomboka rahampitso ao Antananarivo Renivohitra ny famarotana ny vary tsinjo, 1.500Ar ny kilao... ♦ Ady amin'ny coronavirus, nofendrahana ranom-panafody ireo toerana ivezivezen'ny olona maro ao an-drenivohitra...
Nampahatsiahy ny maha lohalaharana an'i Etazonia amin'ny famatsiam-bola an'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny Masoivoho amerikana, ary nambarany fa 62 tapitrisa dolara isan-taona ny vola namatsiana ny USAID, nanohanana an'i Madagasikara...
Talohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany dia mbola nisy sy tsara ny ala malagasy sy voajanahary, saingy taty aoriana dia nihasimba izany ary nosoloana hazo vahiny. Azo atao tsara ny mamerina ny farira maina ho maitso amin'ny alalan'ny fambolena ara-biolojika. Isan'ny hazo malagasy ny orchidé, ny rotra, ny apalibe...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco