Ny aty sy ny sarakaty dia taova mifanakaiky ary mifameno ny asany. Tsy voatery hisy fifandraisana amin'ny aretina mahazo ireo taova ireo ny fisehoana aretin-koditra. Ny toerana misy ireo taova ireo : ny aty dia manakaiky ny vavony amin'ny ilany avanana somary ambony ; ny sarakaty kosa dia eo ambanin'ny vavony. Ny tranga hamantarana fa misy aretina mahazo ireo taova ireo : Manompy mavo na misy tasy mena ny hoditra, mangidihidy ny vatana manontolo, mamofona ny ativava, matetika manana olana amin'ny fivalanana (mitohina na mivalana), rera-dava, mavesatra ny ilany avanana raha ny aty no marary, ary ny avia raha ny sarakaty no misy olana.
Alatsinainy 15 aogositra 2022 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
Alahady 14 aogositra 2022 — Alahady faharoapolo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53
♦ Hamaritra ny mety ho fandraisan'anjarany amin'ny fifidianana sy ny olona ho atolotra amin'izany, ny kongresy nasiônalin'ny Antoko MMM, izay hirosoana tsy ho ela. Nitatitra ny fivorian'ny antenimeran-doholona tamin'ireo mpifidy vaventy tamin'ny faran'ny herinandro ny loholona avy amin'ny MMM... ♦ Mangataka ny hanesorana ny mpitantana ny APMF ny sendikan'ny mpiasa ao aminy, noho ny ambaran'izy ireo fa fisiana kolikoly amin'ny fitantanana... ♦ Isan'ny efa misitraka ny fanomezana tany, anatin'ny tetik'asa "Titre vert" ireo mponina lasibatry ny kere any Amboasary-Atsimo. Fianakaviana sahirana 160 isa aloha izao no efa nomena trano, tany hambolena, sy biby fiompy ; fa omena sakafo ihany koa aloha anatin'ny 3 volana...
♦ Nihena ny tahan'ny fahasimban'ny ala tao amin'ny tandavan'ala Ankeniheny-Zahamena sy Ambositra-Vondrozo, araka ny tatitra nivoaka omaly. Izay no vokatra azo tamin'ny tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy... ♦ Natomboka tany Toamasina omaly, ny fikaonan-doha isam-paritra momba ny fikarohana siantifika sy ny haivao... ♦ Tsara fanombohana ny ekipa Ankoay Malagasy, mandray anjara amin'ny Afrobasket U-18 lehilahy. Resiny omaly ny ekipa avy any Bénin...
♦ Nihena ny tahan'ny fahasimban'ny ala tao amin'ny tandavan'ala Ankeniheny-Zahamena sy Ambositra-Vondrozo, araka ny tatitra nivoaka androany. Isan'ny vokatra azo tamin'ilay tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy any amin'ny ilany atsinanan'i Madagasikara izany... ♦ Milaza ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena roa, fa mikorosy fahana ny seha-pihariana lavanila. Maniry fanovana sy vahaolana haingana izy ireo... ♦ Tsy ho fampiroboroboana ny seha-pihariana ihany ny Fier Mada, fa natao ihany koa hisarihana ny famoronana sy ny fampiasam-bola. Andro fahatelo ny androany...
♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Papa, ao anatin'ny Tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Ezahana hilamina hatramin'ny 17 aogositra, ny fandraisana ireo tanora rehetra ho avy any amin'ny Diôsezin'Antsirabe, hiatrika ny JMJ Mada X... ♦ Hitsidika an'i Kazakhstan, ao Azia Afovoany, ny Papa François ny 13 hatramin'ny 15 septambra 2022...
Sabotsy 13 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 13-15
Zoma 12 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 3-12
Alakamisy 11 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21 — 19, 1
Alarobia 10 aogositra 2022 — Masindahy Laurent, diakra martiry — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26
Talata 9 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 1-5. 10. 12-14
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco