♦ Nampanantsoina eny amin'ny polisy misahana ny sampandraharaha cybercriminalité androany i Mahery Lanto Manandafy... ♦ Malaina ny hiala eny amin'ireo toerana fandraisana traboina vonjimaika ireo traboina taorian'ny filazana fa hisy ny fanampiana tosika ara-bola ho an'ny tokantrano marefo... ♦ Mbola voafidy ho filohan'ny sampandraharaha mikarakara ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakàna na ASIEF indray i John Love...
Ny maha izy antsika tsirairay, ny isam-pianakaviana, ny seham-pikatrohana dia toerana handinihina sy hiainana ny antson'Andriamanitra. Ny asa sy ny andraikitra misy antsika dia efa sehatra halalana ny antso. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ao amin'ny fikambanana masina no hahafahana miaina ny antson'Andriamanitra. Sehatra hamolavolana ny ankizy sy ny tanora ny fikambanana masina. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny vaomieran'asa dia hahafahana miaina ny antson'Andriamanitra. Manana anjara amin'ny fanampiana ny olona hizotra amin'ny antson'Andriamanitra ihany koa ny vaomieran'asa. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Isaky ny 04 Febroary no fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny homamiadana, izay aretina mety hafaty raha tsy voatsabo. Ny homamiadana dia aretina azo avy amin'ny fiovan'ny sela ao anatin'ny olombelona, izay mitombo mihoapapana sy tsy voafehin'ny vatana intsony. Ny homamiadana dia miteraka fivontosana ka manimba ny taova misy azy ary mety hiparitaka amin'ny taova hafa. Ny homamiadana dia azo tilina, azo soroina ary azo tsaboina.
♦ Ho hafainganina ny raharaham-pitsarana amin'ity taona ity ary ho averina ihany koa ny fitokisan'ny vahoaka ny fitsarana, hoy ny tonia ambony eo anivon'ny fitsarana tampony... ♦ Hisokatra ho an'ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha ny seranan-tsambon'i Ehoala any Taolagnaro...♦ Mbola tsy voaloa 3 taona aty aorian'ny asa ny volan'ireo orinasa mikojakoja ny lalana. Manao antso avo amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireo orinasa 230 manan-trosa amin'ny Fanjakana...
♦ An'arivony isan-taona ny raharaha tonga eny anivon'ny Fitsarana Antampony. Raharaha 50 eo ho eo no sahanin'ny mpitsara iray. Nisokatra androany ny taom-pitsarana 2022... ♦ Hisokatra ho an'ireo mpampiasa vola sy mpandrahraha ny ao amin'ny seranan-tsambon'i Eoala any Taolagnaro amin'ity taona ity... ♦ Trano sivy no may kila forehitra omaly, tany amin'ny Kaominina Ambalatsiroa any amin'ny Distrikan'i Betroka noho ny asan-dahalo. Soa fa tsy nisy aina nafoy, olona 33 no tsy manan-kialofana vokatr'izany...
♦ Manentana ny kristianina rehetra mba hifarimbona amin'ny voin-kava-mahatratra ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Notokanana tamin'ny 23 janoary 2022 ny fiangonana vaovao ao Ankatafana, Diôsezin'i Mananjary... ♦ Manentana ny kristianina rehetra hanahaka ny majy amin'ny fanarahan-dia an'i Jesoa ny Papa François, tamin'ny famaranana ny herinandrom-bavaky ny fiombonan'ny kristianina maneran-tany...
♦ Tafakatra ho 48 ankehitriny ireo olona fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny rotsak'orana nisesy, farany teo... ♦ Miverina mianatra ny mpianatra amin'ny alatsinainy izao, ary nanome toromarika ny hanamboarana haingana ireo sekoly simba ny Filoha nandritra ny filankevitry ny Minisitra... ♦ Hiala nenina farany hatramin'ny alatsinainy izao ny Federasiona Malagasin'ny Baolina lavalava mba hidiran'ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ny lisitra faoben'ny baolina lavalava malagasy...
♦ Mahatsapa tsindry ataon'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalana amin'ny asam-pitsarana ireo mpitsara. Nasongadin'ny Filoha vaovaon'ny Sendikan'ny Mpitsara izany, nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filoha teo aloha, androany... ♦ Mimenomenona ny Sendikan'ny Polisy, SEFPONAM, manoloana ny nampiasana ireo Polisy sasany hanala tsikafona sy nisokitra tatatra tao an-drenivohitra, farany teo. Nilaza ho naharay fitarainana maro avy amin'ny Polisy nandray anjara tamin'izany ity sendika ity...
Sabotsy 5 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34
Zoma 4 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 14-29
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco