♦ Heverina hivoaka andranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika anio tolakandro ny sisan-drahona miaraka amin'ny rivodoza Dumako, tany Maevantanana ny ivony tamin'ny 6 ora maraina... ♦ Andro maromaro no efa niomana nnametraka ny fitaovana ho enti-manavotra ny vahoaka amin'ity rivodoza Dumako ity ny BNGRC... ♦ Misy antony matoa neken'ny filohan'ny repoblika ny fametraham-pialan'ny Ministra Imbiki Herilaza hoy ny Ministry ny kolontsaina sy ny serasera...
♦ Niditra an-tanety tao amin'ny Distrikan'i Soanierana Ivongo, androany tamin'ny 3 ora tolakandro, ilay rivodoza Dumako, rehefa avy nipaka tao Sainte Marie tamin'ny 12 antoandro... ♦ Nandray ny asany amin'ny maha Minisitra mpiosolo toerana azy eo anivon'ny Fitsarana, ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana soasialy, Ranampy Gisèle... ♦ Niantso ny CFM handray andraikitra amin'ny disadisa anatiny misy eo amin'ny fitondrana ny CRM. Feno ny fepetra hirosoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...
Manana adidy ny laïka ho lalivay eo an'ivon'izao tontolo izao ka ho fiadanana sy fahamarinana ary fifankatiavana no hiainana eto an-tany. Tokony hafehy ny fitaovan-tserasera sy karazam-pitenena misy ankehitriny ireo mpitory ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Mila toriana an-kafaliana ny Vaovao Mahafaly ary hafaliana vokatry ny fiombonan'aina amin'i Kristy. Mora tsikaritr'ireo itoriana ny Evanjely ary mifindra amin'izy ireo ny hafaliana. Manampy ireo mpitory tsy hihemotra amin'ny sedra isan-karazany ny hafaliana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Manana anjara toerana lehibe ny fahazarana eo amin'ny fanabeazana. Mety hanova ny zavatra maro ny fahazarana ohatra hoe ny ankohonana manana fahazarana miteny ratsy dia manana zanaka voabe mahay miteny ratsy ihany koa. Ny ankohonana no sekoly voalohany ary tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana. Ilaina ny mitaiza ny ankizy hanana fahazarana anefa tsara kokoa raha hazavaina tsara amin'ny ny antony tokony hanaovana ho fahazarana ny fihetsika iray...
♦ Vinavinaina hiditra an-tanety afaka adiny iray any Sainte Marie ilay rivodoza Dumako. Nampitandrina ny Météo fa hitohy ny ora-mikija any amin'ny Faritra Analanjirofo... ♦ Mitaky ny hanohizana ny fanadihadiana momba ilay raharaha nampametram-pialàna ny ministry ny fitsaràna teo aloha ny HVM... ♦ Mitokona ny vadin-tany manerana an'i Madagasikara nanomboka omaly. Tsy mamonjy asa eny anivon'ny fitsarana intsony izy ireo, ao anatin'ny fotoana tsy voafetra...
♦ Ho tapitra anio ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Nilaza ny antoko HVM fa fanavaozana tanteraka no tokony atao amin'ity taona ity, araka ny lalàna... ♦ Tombànana hiditra an-tanety anio tolak'andro na anio alina ilay rivodoza Dumako, ho betsaka ny rotsak'orana manodidina ny Faritra Analanjirofo sy Cap Masoala... ♦ Nitaraina ny fianakavian'ilay olona notifirin'ny Zandary teny Sabotsy-Namehana ny zoma teo fa tsy olon-dratsy ny havany, milaza hitory izy ireo...
♦ Lavinz tanteraka ny filazana fa manakana ny fampandrosoana izay tokony hatao any amin'ny Disitrika hafa ny fanaovana ny "téléphérique" eto Antananarivo, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Vohipeno... ♦ Mahita an-tandrevaka amin'ny fanomanana ny fifidianana hatao amin'ny taona ho avy ny Antoko HVM, araka ny nambaran'izy ireo androany... ♦ Tombanana hiditra an-tanety, eo anelanelan'Antalaha sy Sainte MArie, rahampitso tolakandro na rahampitso alina ilay faritr'andro ratsy Dumako...
♦ Notanterahana ny 12 sy 13 febroary 2022 ny fivoriam-be voalohany fanaon'ny Filankevitra momba ny Fitantanana ny Vahoakan'Andriamanitra (FFVA) eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Fanavaozana foto-drafitra sy fizarana mari-pahatsiarovana ho an'ireo tokantrano kristianina, no nanamarihana ny faha-95 taonan'ny EKAR Notre-Dame de Lourdes, Toamasina... ♦ Nankalaza ny faha-91 taonany tamin'ny 12 febroary 2022 ny Radio Vatican...
♦ Any amin'ny 694 km avaratra atsinanan'i Ste Marie no misy ny foiben'ny rivodoza Dumako. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso izy... ♦ Avy ao anati'ny governemanta sy ny manodidina ihany no nanosika an'Andriamatoa Imbiky Herilaza hametra-pialana hoy Fernand Cello... ♦ Arahana eto ny fanadihadiana momba ny fanaovana ny lisi-pifidianana... ♦ Nankalaza ny faha-91 taonany tamin'ny sabotsy 12 febroary teo ny radio vatican...
Ny riba dia ilazàna ireo kolon-tsaina sy fomba amam-panao ao amin'ny firenena iray. Ny riba dia notovozina avy amin'ny tenim-paritra izay midika hoe "rindrina" na "fefy". Ny fomba dia singa iray ao anatin'ny riba. Misy ny fomba amam-pihetsika sy fanao no efa ao anaty voajanahary "tsiripahalalana latsaka anaty" fa misy koa ireo tefena sy tovozona eny amin'ny tontolo manodidina izay voafaritra ho riba.
♦ Nametra-pialana ny ministry ny fitsarana Imbiki Herilaza. Nankatoavina omaly ny didim-panjakàna mamaritra izany,.. ♦ Vinavinaina hiditra eo anelanelan'i Antalaha sy Sante Marie rahampitso alina ilay andro ratsy izay mbola sokajiana ho "dépression tropicale", any amin'ny 1083 km, atsinanan'i Antalaha no misy azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe manomboka anio ny vadintany syny mpanao lavanty eto Madagasikara ka hampiato ny asa rehetra fanaony manerana ny nosy...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco