♦ Manoso-kevitra ny hanafoanana na hanovàna ny lalàna mifehy ny HCJ, ilay fitsarana mitsara ireo mpitondra ambony, Ramatoa Sahondra Rabenarivo. Nambarany fa lasa fitsarana politika no misy eo anivon'ity fitsarana ambony ity... ♦ Niakatra ho 35% ny tahan'ireo very asa hatramin'ny nisian'ny valan'aretina Covid19 teto Madagasikara. Hizara fiofanana handrisihana ireo tanora nahavita fianarana sy very asa ny All-Com-Event ny faran'ny volana avrily izao... ♦ Mikasa ny hampiantrano ny "Mondial" eo amin'ny taranja "rugby" ho an'ny latsaky ny 20 taona i Madagasikara. Anisan'ireo firenena nametraka fangatahana handray izany isika, hoy ny filohan'ny federasiôna...
Ny "vitamine" dia ireo singa izay hoentin'ny sakafo voajanahary ka ilain'ny vatana mba hafahan'ny miasa tsara. Misy karazany folo (10) ny "vitamine" izay azo sokajiana roa (02) : hydrosoluble ahitana ny B1, B2, B6, B12, B, C ; ary ny liposoluble dia ahitana ny A, D, E, K. Ny antony mahatonga ny tsy fahampian'ny "vitamine" : voalohany mety ilay sakafo mihitsy no tsy misy otrikaina ; faharoa eo amin'ny fikarakarana ny sakafo no misy tsy voahaja ka manimba ny otrikaina ao anatiny ; fahatelo fahaverezan'ny otrikaina na koa tsy voarain'ny vatana hono ny aretina ; fahaefatra dia ny tsy fahafahan'ny vatana mandanjalanja ny fampiasana ny otrikaina noho ny olana ara-pahasalamana hafa.
♦ Niantso ny filohan'ny Antenimieran-doholona hanaja ny fisaraham-pahefana ny SMM. Nanao fanambarana ny SMM fa talanjona tamin'ny nilazàny fa hampiantso ny Bianco sy ny PAC, momba ireo ben'ny tanàna notazomina am-ponja... ♦ Vola 111 miliara Ariary eo ho eo nogiazana, noho izy ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nilaza ny CSI fa tsy azo ampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana ireo vola ireo, raha tsy tafapetraka tsara ireo rafitra miady amin'ny kolikoly... ♦ Nihemotra tamin'ny fanapahan-keviny ny fitondram-panjakana manoloana ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany izay nampitaraina ireo fiaraha-monim-pirenena. Haverina hodinihina eny amin'ny Antanimieram-pirenena indray izy io manomboka izao...
♦ Nahazo ranom-panafody famonoana valala 40.000 litatra avy amin'ny Fanjakana Marôkanina i Madagasikara. Fiaraha-miasa tamin'ny FAO ny fitaterana izany... ♦ Mangataka ny tsy hanaovana saorona ny zana-bahoaka amin'ny fanaovana Oniversite Maty ny fikambanan'ny tanora avara-pianarana na ny FITAMA. MItaky fifampidinihana eo amin'ny Fanjakana sy ny Seces izy ireo... ♦ Miantso ireo mpitantana ao amin'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra tsy hamotika ny ho avin'ny baolina kitra eto Madagasikara ny malagasy teknisianina mahay sy zatra ity taranja ity...
♦ Velaran-tany mirefy 140.000 hekitara no hofendrahana fanafody famonoana valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Ranom-panafody mifatra 40.000 litatra hiadiana amin'ny andiam-balala no noraisina tamin'ny fomba ofisialy teo Ivato androany... ♦ Noraisin'ny Bianco, hanaovana fanadihadiana lalina, ny fitorian'ny Randrana Sendikaly momba ilay raharaha fivoahan'ny volabe teo anivon'ny CNaPS...
Tanora 400.000 (efatra hetsy) isan-taona no tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara araka ny tarehimarika ofisialy. Tsy an’asa avokoa ny atsasak’ireo. Ny 8 alina ihany no afaka mamelo-maso ny fihariana eny ambanivohitra noho ny fandovana tany avy amin’ny ray aman-dreny. Mitaky fifehezana ny famokarana sy ny lalam-barotra handefasana ny vokatra anefa ny fahombiazana. Manana andraikitra amin’ny famolavolana ireo tanora ireo hahafolaka ny famokarana ny vovonam-pikambanana.
Tsara indrindra no nanaovan'Andriamanitra antsika fa isika ihany matetika no manimba sy mamono io hatsarantsika io. Voalohany amin'ny hatsarana ny vatana sy ny saina tomady. Ezaka lehibe no vitan'ny manam-pahaizana nanome mari-drefy hahafantarantsika ny toe-batantsika ka handanjalanjana ny andraikitra raisintsika hitazonana izany.
♦ Tsy eken'ny antoko Tiako i Madagasikara ny fananganana ny Vovonana Miara-manonja... ♦ Tsy zarizary avokoa ny 77%-n'ny toeram-ponenana an-tanan-dehibe eto Madagasikara. Mamolavola paikady hampihenana izany ny tompon'andraikitra... ♦ Nahazo lalana, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, hanototra tany eny Andavamamba, hanatanterahana ny tetikasa "Produir" ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany...
♦ Ao anatin'ny fandinihana lalina ny fiainam-pikambanana tanterahana isaky ny 3 taona, ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. "Chapitre provincial" tanterahana ety Ivato, nanomboka omaly hatramin'ny alahady izao... ♦ Hanao ny Oniversite maty indray ny SECES, manomboka amin'ny alatsinainy ho avy izao... ♦ Miantso an-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana hisintona ny fitoriana an-dRamatoa Raharinirina Clémence, ny Solombavam-bahoaka TIM, Ralambozafimbololona Fetra...
♦ Miatrika "Chapitre provincial" ety Ivato, hatramin'ny alahady izao, ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice... ♦ Hisy indray ny hetsika "Université Morte" hataon'ny Sendikan'ny Mpampianatra mpikaroka manomboka ny alatsinainy izao... ♦ Efa eny anivon'ny Bianco ilay fitorian'ny Randrana Sendikaly, ny Tale jeneralin'ny CNaPS sy ireo mpikamban'ny Filankevi-pitantanana, momba ilay fivoahan'ny volabe tao...
♦ Ny fahadiovana dia isan'ny endriky ny fahavanonana ary maha tompon'andraikitra... ♦ Tany manan-karena fa tsy tokony ho firenena mahantra i Madagasikara...
♦ Miantso ny kristianina hijoro ho vavolombelon'ny herin'i Kristy nitsangan-ko velona i Mgr Marie Fabie Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Fanehoam-pitiavana ny fankalazana ny Paka, ka adidin'ny kristianina ny manompo ny hafa, hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina... ♦ Nanao antso hampanjariana ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, tamin'ny "Urbi et Orbi", ny alahadin'ny Paka 17 aprily 2022...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco