Alahady 23 aogositra 2020 — Alahady faha-21 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-20 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
22 aogositra — Ankalazaina amin’ity andro ity i Maria Mpanjakavavy. Mpanjakavavy i Masina Maria satria mitovy amin’ny zaniny izay Mpanjakan’izao tontolo izao.
21 aogositra — Ny Victoire resahina dia i Victoire Rasoamanarivo, teraka ny taona 1848 tao amin’ny fari-bohitr’Andohalo Antananarivo i Victoire. Rambahinoro no reniny ary Randriantsilavo, manam-boninahitra efatra ambin’ny folo voninahitra ny rainy. Zafy kelin’i Rainiharo piraiminitra sy ny mpanjakavavy Ranavalona I izy.
Sabotsy 22 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12 — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Zoma 21 aogositra 2020 — Victoire Rasomanarivo, Olontsambatra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8 — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo.
20 aogositra — Teraka ny taona 1090 tao Fontaine akaikin’i Dijon i Bernard. Manam-boninahitra sy fanta-daza amin’ny fitava-bavaka ny ray aman-dreniny. Vao teraka izy dia efa natokan’ny reniny ho an’Andrimanitra. Io reniny io dia nanonofy fa ho masina io zaza io ao aoriana.
19 aogositra — Teraka tamin’ny 14 novambra 1601 tao amin’ny tanana kelin’i Ri i Jean Eudes. Lahy matoa amin’ny zaza enina nateraky ny ray aman-dreniny izy. Mpandalina tantara tao Mézeray ny rahalahiny.
18 aogositra — Tokony ho tamin’ny taona 255 i Hélène no teraka tany amin’ny faritan’i Bithynie. Constance Chlore no vadiny, jeneraly romanina izy io izay nampakatra azy ho vadiny ny taona 272, ary tamin’ny taona 275 no nanan’izy ireo an’i Constantin zanany lahy.
19 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16a — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.
17 aogositra — Teraka tao Silésie ny taona 1200 i Masindahy Hyacinthe ary nodimandry tao Cracovie ny 15 aogositra 1257. Nihaona tamin’i Masindahy Dominique tao Roma izy ary tonga mpianany tao amin’ny fikambanana Frères precheurs.
Talata 18 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Alatsinainy 17 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 16-22 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco