I Masindahy Thomas d'Aquin no tsaroana ny 28 janoary. Fianakaviana normande sy germanique no nipoiran'i Thomas. Teraka tokony ho tamin'ny faraparan'ny taona 1224 izy. I Landulph, Comte d'Aquin no rainy ary i Théodora no reniny, taranaka mpanjaka normand ihany koa.
Arahabaina manokana ireo mitondra ny anarana hoe Sylvestre amin'ity faran'ny taona ity satria i Masindahy Sylvestre no tsaroana ny 31 desambra. Teraka tamin'ny taona 280 i Sylvestre. Mpisorona ny rainy, Rufinus no anarany, ary i Justa kosa no reniny. Romanina izy ireo. Ary nankinin'ny reniny tamin'ny mpisorona natao hoe Cyrinus ny fitaizana azy.
30 desambra — Teraka tao Cannes tokony ho tamin'ny taona 1060 i Masindahy Roger. Niaina tao anatin'ny faharavana vokatry ny ady tamin'ny fanoherana izay nataon'ireo barons normands tsy nanaiky ny fahefan'i Robert Guiscard izy.
29 desambra — Teraka ny taona 1117 avy amin'ny fianakaviana mpanan-karena tao London i Thomas Becket, ka noho ny fanohanan'ny fianakaviany dia afaka nanohy ny fianarany tany Paris izy. Niara-niasa tamin'ny Thibaut, arseveka tao Cantorbery izy, izay nandefa azy ho any Roma ny taona 1151 ka hatramin'ny 1153 sy tany amin'ny sekoly tao Bologne sy Auxerre izay nanofana azy ho mpahay lalana.
28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.
27 desambra — Zanak'i Zébédée i Jean araka ny filazan'i Masindahy Matio sy i Marka ary i Lioka, ao amin'ny Evanjely. Mpanarato tao amin'ny farihin'i Tibériade izy, ary mpianatr'i Jean-Baptiste taloha, avy eo nanara-dia an'i Jesoa, Ilay Mpamianatra tiany.
26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.
25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.
24 desambra — I Masimbavy Adèle na i Adela de Pfalzel dia niaina tamin'ny taonjato fahavalo. Ny mpanjaka Dagobert II no rainy. Nanambady an'i Odon izy ary niteraka an'i Albéric. Io Albéric io no rain'i Grégoire d'Utrecht, ilay mpianatr'i Masindahy Boniface.
23 desambra — Teraka tamin'ny taona 1397 tao Kenty, diosezin'i Cracovie, i Jean de Kenty. Anne sy Stanislas no anaran'ny ray aman-dreniny, ary mbola zaza izy dia efa naneho toetra malefaka sy tia vavaka.
22 desambra — Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Masindahy Flavien, préfet de Rome tamin'ny andron'ny amperora Julien izy io. Ireo amperora kristianina dia nankasitraka ny fahendren'ity olomasina ity ka nahatonga azy ireo nanome andraikitra lehibe tao an-tanana.
21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.
• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco