02 nôvambra — Tsy andro fisaonana akory ny 02 nôvambra, fa natokana hivavahana ho an'ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry. Misy mantsy ny fanahin'izy ireo izay niala teto amin'ity tany ity, dia mbola mety tsy migoka ny hasambarana any an-danitra fa mety mbola any amin'ny afo fandiovana.

01 nôvambra — Taloha dia tao aorian'ny fetin'ny Paka na ny alahady manaraka ny Pantekôty ny fankalazana ny fetin'ny Olomasina rehetra. Tamin'ny taonjato fahadimy dia ny zoman'ny Paka no nankalazana izany tany Syrie, fa ny tany Roma kosa tamin'io vanim-potoana io dia nomarihana tamin'ny alahady ao aorian'ny Pantekôty.

31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.

30 ôktôbra — Bienvenue Bojani no anaran'ity olontsambatra ity. Teraka ny taona 1255 tao Savogna di Cividale, Frioul tao Italie i Bienvenue. Mbola kely izy dia efa nanana fitiavana sy fanajana manokana an'i Masina Maria Virjiny.

29 ôktôbra — Teraka ny 09 jona 1837 i Michel Rua. Zaza farany amin'ny sivy mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Tamin'ny taona 1852 izy no niditra tao amin'ny Oratorio tao Valdocco. Indray andro dia niteny taminy i Don Bosco fa mifameno izy ireo. Izy no anisan'ireo nilazan'i Don Bosco voalohany ny hananganana ny fikambanana salezianina.

28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.

27 ôktôbra — Vehivavy masina niditra ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Cistercien tao Boulancourt tao amin'ny diôsezin'i Troyes tany Champagne i Émeline. Tany amin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo tany izy no niaina. Io trano fitokana-monina io dia fanta-daza tokoa tamin'izany fotoana izany.

26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.

25 ôktôbra — Teraka tao Egypte i Chrysanthe. Sénateur romanina nantsoina hoe Polémius ny rainy, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Numérien. Mbola kely i Chrysanthe dia efa niaraka tamin'ny rainy nitety an'i Roma tamin'izany asany izany ; ary tamin'izany no efa nahitan'ny olona ny faharanitan-tsain'i Chrysanthe.

24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.

23 ôktôbra — Teraka tao Naples, tao Aquila, Capistran, ny 24 jona 1386 i Jean. Tompomenakely ny rainy. Mbola kely izy no maty io rainy io ka ny reniny no nanome azy ny fanabeazana fototra. Avy eo nalefa tany Pérouse nandritra ny folo taona izy, nandalina ny lalana sy ny lalan'ny Fiangonana.

22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...