♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo antenimiera roa. Lahadinika lehibe amin'izany ny fifidianana ireo ho solontenan'ny parlemanta eny amin'ny HCC... ♦ Hohamafisina indray ny sazy ho an'ireo tsy manaraka fepetra sakana amin'ny Covid-19... ♦ Mpampianatra iray no voakasin-tanana omaly teny Ankatso, nahazo fahafahana ireo mpianatra 03 eny Vontovorona...
Alarobia 17 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 17-30
♦ Zaza roa no namoy ny ainy, olona enina hafa naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny Lalam-pirenena voalohany androany maraina... ♦ Ho entitra amin'ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra, manoloana ny fiakaran'ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19, ny ato amin'ny Faritra Analamanga...
♦ Nahazo fahafahana vonjimaika misy fepetra ireo Malagasy miisa 03, tratra tatsy Afrika atsimo, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg... ♦ Tsy mbola hikatona ny Oniversite an'Antananarivo eny Ankatso, na misy amin'ireo mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra aza no voalaza fa voan'ny Covid-19. Anton'izany ny fisorohana ny taona fotsy...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco