♦ Niampy dimy indray ireo matin'ny Coronavirus eto amintsika, dimy amby zato ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany, momba ny fivoaran'ny Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso omaly, nandritra ny fitokonan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Mpianatra telo no voasambotra teny Vontovorona...
Talata 16 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-16
♦ Mpiadina roa no tratra nanao hosoka nandritra ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... ♦ Samy nihetsika avokoa androany ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona sy ny mpianatry ny Fakiolten'ny Siansa teny Ankatso... ♦ Iray amin'ireo mpanao gazety nanatitra antotataratasy hahazoana misitraka ilay karatra maha matianina kosa ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo...
♦ Mila mandray andraikitra haingana ny fitondram-panjakàna amin'izao firongatry ny valan'aretina entin'ny coronavirus izao hoy ny SECES. Mpampianatra mpikaroka miisa 6, voalaza fa noho ny covid-19 nahazo azy no lavo... ♦ Nizara fanomezana tany amin'ny Fonjan'Ambatolampy sy tetsy amin'ny toby fanarenana ny ankizy mania etsy Anjanamasina ny fiombonan'ny Vehivavy ao anatin'ny FFVA, diôsezy Antananarivo... ♦ Miatrika fitsaràna any Birmanie indray androany Ramatoa Aung San Suu Kyi...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco