♦ Mitaky fananganana sehatra ifampidinihana hamahàna ny olana misy momba ny raharaham-pirenena ny K3F... ♦ Anjaran'ny olom-pirenena no mifanentana amin'ny fanoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana. Mbola misy 2.000.000 mantsy ireo vehivavy malagasy no tsy misoratra anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Hoamafisin'ny mpitandro filaminana ny fanaraha-maso amin'ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny Covid-19...

Ireo fomba hamantarana ivelany fa misy terintsaina "stress" ny olona iray.(10-03-2021)

♦ Manampy an'i Madagasikara amin'ny fametrahana politikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ny Banky iraisam-pirenena, 150 tapitrisa dolara no famatsiam-bola ho azontsika amin'izany... ♦ Niantso tsy ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimiera mpanao lalana, ny fahefana mpanatanteraka, tamin'ny alalan'ny filan-kevitry ny minisitra...

Alakamisy 11 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...