Talata 6 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38

Ry kristianina havana, fihavaozana lehibe no entin’ny Evanjely teo amin’ny fivavahana jody. Eo indrindra no mizara ny hevitra : misy mino, misy tsy mino ; misy momba, misy manohitra na dia hitan’ny be sy ny maro aza ny fampianarana sy ny asan’i Jesoa. Anton’izany dia ilay Andriamanitra mamela malalaka ny olombelona hisafidy. Tsy atao an-tery setra ny finoana fa konsiansy, safidy, sitra-po.

Nositraniny ilay lehilahy iray sady moana no azon’ny demony. Isan’ny nanombohan’i Jesoa ny asany sy nataony betsaka ny fandroahana demony. Resy ny demony : rava ny fanjakan’i Satana mpanohitra ; miorina ny fanjakan’Andriamanitra.

Dia manomboka manankina raharaha amin’ireo mpianany i Jesoa. Onena izy nahita ity vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ny vavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra no ankininy voalohany, izany hoe ho iray fo mitempo Aminy, mangoraka ny olombelona ka manankina izany amin’Andriamanitra. Asan’Andriamanitra ny famonjena dia italahoana aminy haniraka mpiara-mamonjy. Tsy hoe tsy mahefa Andriamanitra raha mitady ny olombelona fa soa ho antsika izany voalohany, maneho ny maha isika antsika ; fa maneho koa fa malalaka ny fon’Andriamanitra ka fomba maro samihafa no entiny mamonjy. Ataovintsika matetika ny vavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ary meteza isika ho mpiasa hijinja ny vary efa vokatra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...