Fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary eto Madagasikara ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz. Faritra 22 moa no iasan'ity tetik'asa ity izay efa nanomboka niasa tamin'ny taona 2008 tamin'ireo faritra 05 anivon-tany.

Fanamby nofaritan'ny Fanjakàna ny hatratraran'i Madagasikara ny fahaleovantena ara-tsakafo amin'ny taona 2023 ary mba ho afaka hanondrana vary isika amin'ny taona 2025. Isan'ny paika ahatratrarana izany ny fampiasana ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz.

Miditra amin'ny andiany fahatelo moa ny tetik'asa ankehitriny izay hiarahana miasa amin'ny firenena Japoney. Natao ny 06 Jolay 2021 teo moa ny fivoriana voalohany niarahan'ireo mpisehatra rehetra voakasik'izany. Miompana amin'ny lafiny famokarana hiantohana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny fanondranana ny ambim-bokatra any ivelany ny tanjona kendrena amin'ny fiafaran'ny tetik'asa Papriz andiany fahatelo amin'ny taona 2025.

Mba ahafahana manatratra ireo tanjona ireo no antony hametrahana amina faritra manana velaran-tany lehibe sy ampy rano ny antsoina hoe : "site modèle" amin'izay famokaram-bary izay, toa ny any Alaotra any amin'ny faritra Alaotra-Mangoro, ny ao Ambohibary-Sambaina faritra Vakinankaratra.

Nambaran'ny tale misahana ny tantsoroka momba ny famokarana eo anivon'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Ramatoa Harivony Ramananjanahary fa azo ampiarahana tsara amin'ny masomboly "riz hybride" ny teknika Papriz.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...