♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo... ♦ Marihana sy ankalazaina anio 3 mey, ny Andro Eran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety... ♦ Olon-tsotra iray, naratra teny Ankatso; mpianatra iray no naratra ary mpianatra iray hafa torana, teny Vontovorona, vokatry ny fandravan'ny mpitandro ny filaminana ny fitakian'ireo mpianatra...

Zava-Masina sy ambony ny mariazy. Ny mariazy dia sakramenta raisina vokatry ny safidy, izay ilàna fiomanana amin'io iraka io, dia ny ho vavolombelon'ny fitiavana sy hanohy ny asa-pahariana. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno amin'ny maha ray sy reny, taratry ny fahaleovan-tena ihany koa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

3 mey 2024 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)

♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'i Maintirano. Notendren'ny Papa François ho Eveka any an-toerana i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana androany, ny ampahany tamin'ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy naratra vokatr'izany... ♦ Mahatsikaritra fihoaram-pefy samihafa ny KMF/Cnoe amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Miandrandra ny HCC handray ireo fepetra efa nambarany ity firaisamonim-pirenena ity...

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...