Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 17, 15. 22 — 18, 1)

Izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no torìko aminareo.

Tamin’izany andro izany,
dia niaraka tamin’i Paoly hatrany Atena ry zareo nanatitra azy;
rahefa izany dia nohafaran’i Paoly
handefa an’i Silasy sy i Timôte hanatona azy faingana izy ireo, dia lasa.
Dia nitsangana teo afovoan’i Areôpaza i Paoly ka nanao hoe:

“Ry lehilahy atenianina:
hitako amin’ny zavatra rehetra etoana fa olona fatra-pivavaka loatra ianareo.
Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo,
dia nahita ôtely anankiray misy izao soratra izao:
‘Ho an’ny Andriamanitra tsy fantatra.’
Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo, no torìko aminareo:
Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy,
no tompon’ny lanitra sy ny tany,
ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany.
Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy,
fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao:
ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra.
Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra,
mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra,
ary Izy ihany no nametraka ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,
mba hitady an’Andriamanitra izy,
raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy,
na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy;
fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika,
araka ny voalazan’ny mpanao tonon-kira sasany taminareo hoe:
‘Taranany koa isika.’
Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika,
dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena,
na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’olombelona.
Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizay;
fa asainy hibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao.
Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsaràny an’izao tontolo izao araka ny rariny,
amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy
mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona.”

Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izany izy ireo, dia nihomehy ny sasany,
fa ny sasany kosa nanao hoe:

“Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.”

Toy izany no nialan’i Paoly teo amin’izy ireo.
Nisy olona vitsivitsy nino sy nikambana taminy ihany anefa; anisan’ireo i Denis isan’ny Areôpaza,
sy vehivavy anankiray atao hoe Damarisy, ary ny sasany hafa koa.
Taorian’izany dia niala tao Atena i Paoly ka nankany Kôrinto.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 148, 1-2. 11-12ab. 12d-14a. 14bde

Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Miderà ny Tompo ianareo ’zay any an-danitra any!
Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any!
Miderà ny Tompo ianareo Anjeliny rehetra!
Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra!

Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka ts’ hita isa,
ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo,
ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany,
ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.

Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo,
fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja,
ka ny fiamboniany avo noho ny lanitra sy tany.
’Reo mpanompo Azy faly mankalaza sy midera.

Ts’iza izany akory fa ny firenen’i Israely,
’lay vahoaka tiany nolalainy hatrany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)

Ny Fanahin’ny fahamarinana no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho,
nefa tsy zakanareo ankehitriny;
fa rahefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana,
dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra,
satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy,
ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Hanome voninahitra Ahy Izy,
satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo.
Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko;
ka izany no nanaovako hoe:
Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 16, 22-34)

Minoa an’i Jesoa Tompo dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.

Tamin’izany andro izany,
dia nirohotra hamely an’i Paoly sy i Silasy ny vahoaka tao Filipy;
ary nasain’ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin’ny hazo izy ireo.
Ary rahefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina,
ka nasainy hambenan’ny mpiambina mafy.
Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina,
dia nampiditra azy tao an-tranomaizina anatiny indrindra,
sy nangia ny tongony tamin’ny bolaky hazo.
Rahefa tokony ho nisasaka ny alina,
dia nihira fiderana an’Andriamanitra i PaoIy sy i Silasy,
ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.
Niaraka tamin’izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy
nanozongozona ny trano hatrany am-potony,
ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra;
ary nivaha daholo ny fatoran’izy rehetra.
Taitra tamin’izay ny mpiambina ny tranomaizina,
ka nony nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha izy,
dia nanatsoaka ny sabany ndeha hamono tena,
satria nataony ho nitsoaka nandositra ny mpifatotra.
Fa niantso tamin’ny feo mahery i Paoly nanao hoe:

“Aza mamono tena foana,
fa eto daholo ihany izahay rehetra.”

Dia nangataka jiro ny mpiambina,
ka niditra faingana sady nangovitra niankohoka teo an-tongotr’i Paoly sy i Silasy.
Nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy:

“Tompoko,
inona no tokony hataoko mba ho voavonjy aho?”

Ary hoy ny navalin’izy roa lahy:

“Minoa an’i Jesoa Tompo,
dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.”

Dia nilazan’izy roa lahy ny tenin’ny Tompo izy
sy izay rehetra tao an-tranony.
Iny alina iny ihany,
dia nitondra azy roa lahy izy, ka nanasa ny feriny;
ary tamin’izany ora izany ihany dia natao batemy izy sy ny tao an-tranony rehetra.
Dia nentiny nankao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany hanina,
ary nifaly izy mianakavy rehetra, satria efa nino an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 137, 1-2a. 2bd-3. 7d-8

Ny tananao mamonjy ahy, ry Tompo.

Tompo ô! midera Anao amin’ny foko tontolo aho:
satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako!
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo andriamanitra aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao Masina.

Misaotra ny Anaranao aho:
noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao!
Ny andro iantsoako, mamaly Ianao,
sy mampitombo hery ny fanahiko!

Ny tananao mitsotra sy mamonjy ahy.
Ny Tompo Mpamaly izay ratsy atao ahy!
Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao:
aza atsahatra ny efa nataon’ny tananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)

Raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Fa ankehitriny handeha Aho,
ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao?
Fa noho Izaho nilaza izany taminareo dia feno alahelo ny fonareo.
Milaza ny marina aminareo anefa Aho
fa mahasoa anareo ny handehanako;
satria raha tsy mandeha Aho,
dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo;
fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho aty aminareo.
Ary rahefa tonga Izy,
dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana,
sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana:
ny amin’ny fahotana,
satria tsy mino Ahy izy ireo;
ny amin’ny fahamarinana,
satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony;
ary ny amin’ny fitsarana,
satria voatsara sahady ny filohan’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 16, 11-15)

Nosokafan’Andriamanitra ny fony mba hitandrina izay nolazain’i Paoly.

Ary niondrana an-tsambo tany Trôasy izahay, ka nizotra nankany Sômôtrasy,
ary ny ampitso dia nankany Neapôlisy.
Nony niala teo izahay dia nankany Filipy,
izay tanàna voalohany amin’izany faritanin’i Masedônia izany, sy zanatany rômanina.
Nampianatra andro vitsivitsy tamin’izany tanàna izany izahay.
Ary tamin’ny andro sabata,
dia nivoaka teo ivelan’ny vavahady izahay, ka nankeny amoron’ny ony,
fa nataonay ho any no toerana fivavahana;
nipetraka teo izahay, dia niresaka tamin’ny vehivavy izay tafavory teo.
Nisy vehivavy anankiray tamin’izy ireo atao hoe Lidia mpivaro-jaky,
avy any an-tanàna Tiatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra;
nihaino anay izy, ary nosokafan’Andriamanitra ny fony
mba hitandrina izay nolazain’i Paoly.
Ary rahefa vita batemy izy mbamin’ny ankohonany,
dia nangataka taminay izy nanao hoe:

“Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho,
dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.”

Nanaovany lemozy mihitsy izahay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b

Sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo.
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy.
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’Ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory.

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra,
no Voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26 — 16, 4)

Ny Fanahin’ny fahamarinana no hanambara Ahy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray,
na ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray,
dia Izy no hanambara Ahy.
Ary ianareo koa hanambara,
satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo.
Izaho no nilaza izany taminareo
dia ny mba tsy hahatafintohina anareo.
Fa horoahiny amin’ny sinagôga ianareo,
ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo
ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
Izy no hanao izany aminareo,
dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho.
Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa,
dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana,
fa efa voalazako taminareo izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nifarana ny fankalazana ny faha-100 taona niorenan'ny Antilin'i Madagasikara. Notokanana ny faran'ny herinandro teo ny vavahady miditra amin'ny tanànan'ny Antily ao Marlix Andakana Ambohidratrimo... ♦ Tontosa tamin'ny herinandro teo ny dinika an-databatra boribory niarahan'ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy nandinihana ny ahafahana manampy ny tanora amin'ny sehatry ny asa... ♦ Mandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony ho an'ny IDA mahakasika an'i Afrika tanterahana any Naïrobi Kenya ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ; fihaonana an-tampony manomboka androany... ♦ Nitsidika tany Venise ny Papa François omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...