♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 18, 23-28)

Nampihariharian’i Apôlô tamin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no i Kristy.

Rahefa nitoetra kelikely tao Antiôkia i Paoly,
dia lasa nitety ny tany Galasia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra.
Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apôlô tonga tao Efezy;
teraka tany Aleksandria izy io,
ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina.
Efa nianatra ny lalan’ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-po,
ka nampianatra tsara ny amin’i Jesoa,
na dia ny batemin’i Joany ihany aza no fantany.
Niteny tamin-kasahiana teo amin’ny sinagôga izy,
ka nony ren’i Prisila sy i Akilasy, dia nalainy hankeo aminy,
nampianariny tsaratsara kokoa ny lalan’ny Tompo.
Naniry hankany Akaîa izy, ka nankasitrahan’ny rahalahy izany,
dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan’ny any azy tsara.
Nony tonga tany izy,
dia nahavita soa be tamin’izay efa nino noho ny fahasoavana.
Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy,
nampiharihary tamin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 46, 8-9. 10

Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra.

Ry vahoaka rehetra mitehafa tanana.
Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra:
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena,
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

Andriam-bahoaka maro no mikambana
amin’ny vahoakan’ny Andriamanitr’i Abrahama;
fa Andriamanitra Andriambaventin’ny tany,
indro voasandratra ambony dia ambony!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)

Tia anareo ny Ray noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray,
dia homeny anareo amin’ny Anarako.
Mandraka ankehitriny
dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo;
mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
Fanoharana no nilazako izany taminareo;
fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony,
fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.
Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny Anarako ianareo,
ary Izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin’ny Ray Aho,
satria ny Ray tia anareo koa,
noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho;
ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 18, 9-18)

Be ny vahoakako amin’ity tanàna ity.

Raha tany Kôrinto i Paoly,
dia hoy ny Tompo taminy, indray alina, tamin’ny tsindrimandry:

“Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina.
Satria momba anao Aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao,
sady be ny vahoakako amin’ity tanàna ity.”

Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy,
nampianatra ny tenin’Andriamanitra tao.

Ary nony i Galiôna no governora tao Akaîa,
dia niray tetika hamely an’i Paoly ny Jody,
ary nitondra azy teo amin’ny fitsarana, ka nanao hoe:

“Ilay ity mitaona ny olona hanaraka ny fombam-pivavahana
mifanohitra amin’ny Lalàna.”

Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly,
dia hoy i Galiôna tamin’ny Jody:

“Ry Jody, ny amin’ny ratsy natao, na ady heloka
no ihainoako ny fitorianareo;
fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa,
raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an’izany aho.”

Dia noroahiny hiala teo amin’ny fitsarana izy ireo.
Tamin’izay dia nosamborin’izy rehetra i Sôstena lehiben’ny sinagôga,
ka nokapohiny teo anoloan’ny fitsarana;
fa tsy nahoan’i Galiôna akory izany.

Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly,
vao nanao veloma ny rahalahy ka niondrana nankany Siria,
niaraka tamin’i Prisila sy Akilasy,
ary nohetezany tao Senkrea ny volondohany,
fa nisy voady nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 46, 2-3. 4-5. 6-7

Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana,
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Vahoaka maro, ataony ambaninay;
fokom-pirenena, ambany tongotray.
Izahay nofidiny ho lovany,
i Jakôba olon-tiany, ho reharehany.

Andriamanitra miakatra, arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.
Antsao Andriamanitra! Antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! Antsao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)

Tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo,
ary hifaly izao tontolo izao;
halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.
Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany;
nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy,
noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny,
nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo,
ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
Amin’izany andro izany,
dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 1-11)

Nakarina teo anatrehan’izy ireo Izy.

Ry Teôfily,
efa voalazako tamin’ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
hatramin’ny andro nampiakarana Azy,
nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny.
Taorian’ny nijaliany,
dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa,
sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy,
ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.

Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy,
dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema,
fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray,
araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano,
ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina,
raha afaka andro vitsivitsy.
Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe:

“Tompoko, amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?”

Fa hoy ny navaliny azy ireo:

“Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana
izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery,
ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria,
ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.

Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo:
ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo,
tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany,
dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe:

“Ry lehilahy avy any Galilea,
nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra?
Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny,
dia mbola ho avy indray,
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9

Andriamanitra miakatra arahina hoby, ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana;
mifalifalia ianareo Anjely:
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Andriamanitra miakatra hobìn’ny vahoaka;
ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy:
koa arindrao izany antsa.
Andriamanitra am-piketrahany masina
manjaka amin’ireo firenena.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 17-23)

Napetraky ny Ray eo ankavanany any an-danitra Izy.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra,
dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana
hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo,
ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona,
sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany
amin’ny rantsam-batany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)

Nakarina any an-danitra Izy ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa,
ary nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao,
mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
Izay mino ka hatao Batemy dia ho voavonjy;
fa izay tsy hino dia hohelohina.
Ary izao no famantarana homba izay mino:
Handroaka demony amin’ny Anarako izy,
hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,
handray menarana izy,
ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany;
hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny”.

Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo,
dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Ary izy ireo kosa dia lasa nitory hatraiza hatraiza,
ka sady niara-niasa taminy ny Tompo,
no nankatò ny fampianarany tamin’ny fahagagana nomba azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...