1972, 1991, 2002, 2009, 2018… Mby ao an-tsaina ireo daty ireo raha vao miresaka tantaram-pirenena isika. Daty manambara ny fiverimberenan’ny krizy politika teto Madagasikara, tao aorian’ny nahazoana ny fahaleovantena. In’enina niseho izay ny tsy fankatoavam-bahoaka ny mpitondra sy nitakian’izy ireo ny fialany teo amin’ny fitondrana tao anatin’ny 50 taona farany. Miverina indray izany amin’izao taona 2025 izao, ka ny mampiavaka azy dia ny tsy fisian’ny mpitarika mazava fa nofintinina fotsiny hoe: tanora ao anatin’ny Génération Z.
Rehefa dinihina dia mihena hatrany io fe-potoana iverimberenan’ny krizy politika eto Madagasikara io. Raha 20 taona latsaka kely izany tany am-boalohany, dia lasa isaky ny 10 taona, 7 taona ary isaky ny 4 taona aza. Samy niongana avokoa ireo Filoham-pirenena nifandimby fa ny endriny no tsy mitovy. Ny hitovizany kosa: samy niandoha tamin’ny fitakiam-bahoaka, satria tsy tanteraka ilay fanovana nampanantenaina azy ireo. Lasa ihany ny eritreritry ny Arofanina hoe: zary fahazarana ve ny fandalovana krizy eto Madagasikara sa izay nitondra no tsy naka lesona? Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha, hoy ny fomba fiteny. Lesoka efa tsy nety teo aloha ihany no toa tsapa sy hita fa miverina. Tsy inona izany fa ny tsy fanatanterahana ireo hetahetam-bahoaka. Tsy natao laharam-pahamehana ireo izay notadiaviny. Adinon’ny mpitondra fa misy rafitra an-tanatohatra ny filan’ny vahoaka. Asa sy fahefa-mividy, ny filana fototra amin’ny rano sy ny jiro ohatra no andrasan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Teleferika, lalambe migodana 8 km, Lac Iarivo, Enara Galerie, miampy tosika fameno sy vatsy tsinjo ho an’ny vitsy an’isa no nahavariana ny mpitondra. Dia toy izany koa ny taloha tany, noana ny vahoakan’ny faritra iva tamin’izany, fa natontona tany amin’i Airforce One ny volam-panjakana. Mbola mitovitovy amin’izany koa ny fitakiana talohan’izay. Tsikaritra fa mody minia mangina io vahoaka Malagasy io. Ny Gasy rahateo mahari-pery, hoy ny fomba fiteny, fa rehefa mitroatra izy, mafy ny aterany. Izay ilay herim-bahoaka ka! Io ilay antsoina ihany koa hoe: fipoahana ara-tsôsialy. Dia io mitranga io izy amin’izao taona 2025 izao, ka tsikaritry ny maro fa toa ny kisarin’ny 2009 no miverina tsy misy anavahana azy amin’izao.
Ny mampalahelo anefa, miafara amin’ny fifandonana hatrany izay fitroaram-bahoaka izay teo amin’ny tantaram-pirenena. Mivadika fifandrafiana sy fifamaliana herisetra ny tsy fitovian-kevitra. Samy nampiasa ny mpitandro filaminana ho herim-pamoretana avokoa ireo mpitondra nifandimby. Ekena fa manatanteraka baiko ny zandary, ny miaramila sy ny polisy. Fa izay naniraka azy ireo koa ve tsy enjehin’ny feon’ny fieritreretany? Samy Malagasy nefa mifandatsa-drà? Aiza ilay soa toavina malagasy hoe: ny hevitra no miady fa tsy ny olona? Dia mifamotika am-pitoerana eto ireto isika. Tsy hita noanoa ny fahavoazana aterany, na amin’ny lafiny ara-toe-karena na ara-tsôsialy, ka hanairana ny mpitondra sy izay mbola te hitondra!
Hoy ny Arofanina hoe: aoka haka lesona sy hahay hihaino izay maharary sy hetaheta ary ny tinadin’ny vahoaka ny tolotra omena, mba tsy hisian’ny fialan-tsiny amin’ny vahoaka. Ny feon’ny vahoaka manko no feon’Andriamanitra, fa tsy hoe an’ny “robot” akory, ka tsy hay tohaina ny heriny. Samia isika rehetra hitodika ny lasa, hiatrika ny ankehitriny ary hibanjina ny ho avy, mba tsy hivarina any an-kady…