♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

♦ Andrasana amin'izay ho Solombavam-bahoaka vaovao ho lany eo, ny fandraisana fepetra hentitra amin'ireo mpitondra tsy manaja ny Lalam-panorenana sy tsy manome hasina ny andrim-panjakana, hoy Andriamatoa Constant Raveloson... ♦ Hihamafy ny fanapahan-kevitra horaisina amin'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ny Sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara, raha toa ka mbola minia manampin-tsofina amin'ny fitakiany ireo tompon'andraikitra...

♦ Hanomboka anio ny fanaparitahana ireo fitaovana samihafa ilaina amin'ny fifidianana, araka ny tetiandro nampahafantarin'ny CENI... ♦ Manentana ny vahoaka Malagasy mba handray anjara amin'ny zotram-pifidianana ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Antoka hampahomby izany anefa, hoy ny fanamabarany, ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy ara-drariny ary amim-pilaminana... ♦ Manomboka anio zoma amin'ny 3 ora tolakandro no ao am-bohitra, ao Tsaramihafara Itaosy, ny nofo mangatsiakan'i Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy, fantatra amin'ny anarana hoe Xhi...

Vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola dia maro ny tanora voasarika amin'ny filan'ny nofo, mety ho tonga ho amin'ny vohoka aloha loatra ireny. Tena zava-doza ho an'ny reny sy zaza ny fitondrana vohoka aloha loatra satria lasa misy olana eo amin'ny fianakaviana, fiaraha-monina ary ny firenena. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...